Mbola andrasan’ny ankolafy Ravalomanana hatreto ny fampiharan’ny praiminisitra natolotry ny ankolafy Zafy Albert ny sori-dalana niaraha-nanao sonia.
Raha ny zavatra hita aloha dia tsy mbola tonga amin’ny fampiharana an-tsakany sy an-davany izany sori-dalana izany ingahy Omer Beriziky. Miandry izay fihetsika ara-panjakana izahay, hoy Raveloson Constant satria nilaza ampahibemaso ny praiminisitra fa dia ny sori-dalana no mibaiko azy. Fanontaniana àry no napetrany raha hanao na tsy hanao i Omer Beriziky. Rehefa hanao, hoy izy dia tsy misy antony angatahan’andro, “rehefa tsy hanao kosa dia miala”. Hatreto aloha dia tsy misy dingana vita kanefa ny asa mahomby no ifampitsarana. Ny fampiharana ny andininy faha-20 no lakileny, hoy ihany ity mpitari-tolona ity.
Fa ankoatra izay dia anisan’ny vaovao nozarain-dRaveloson Constant tao amin’ny Magro Behoririka omaly ny fahazoan’ny mpiara-mitolona iray fampiantsoana any amin’ny fitsarana. Voalaza fa fampirisihana ny olona tamin’ny resaka baomba, fanonganam-panjakana no hiampagana ity mpiara-mitolona mpanao asa tanana madinika ity. Anisan’ireo tokony ho nantsoina niaraka tamin’ity olona ity ry Yves Aimé Rakotoarison sy ry Raharinaivo mbamin-dRasomotra, hoy Raveloson Constant saingy efa nanao “j’ai l’honneur” tamin’ny FAT izy ireo ka tsy tratry ny fiantsoana intsony. Izany no midika, hoy izy fa “hatramin’izao dia fanjakan-jiolahimboto no misy eto” ary dia manjaka tokoa ny tsy maty manota satria rehefa mandady eny Ambohitsorohitra dia tsy henjehina intsony. Miandry izay ho fihetsiky ny sendikan’ireo mpitsara moa ny tenany satria ity sendika ity dia milaza ho tsy manaiky ny hanaovana fitaovana politika na ny mpitsara na ny fitsarana. Voahosihosy ny haja sy voninahitr’ireo mpitsara ireo, hoy ihany ity mpitarika avy amin’ny MFM.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.