Politique

Constant Raveloson “Ravalomanana no fitaratra, izy no lakile”


  • Alatsinainy 14 Novambra 2011

«Eo am-pamolahana an-dRajoelina handohalika aty amintsika isika izao», hoy i Constant Raveloson tao amin’ny Kianjan’ny Magro Behoririka ny sabotsy 12 novambra teo.

 Tsy kitapo latsaka ny herim-po sy ny ra latsaka tamin’ity tolona ity, hoy izy ka tadiavina hoviraviraina. Fotoanan’ny fifanonjonana mafy izao ary misy dikany matoa takiana ny hisasahan’ny fahefana. Rehefa tsy hanao setrim-pahefana ny mpanongam-panjakana, hoy ihany i Constant Raveloson dia tsy azo ekena izany. Tsy raharahan-tseza manko fa raharaha hametrahana ny tetezamita tena izy hanarenana an’i Madagasikara sy hamerenana amin’ny laoniny ny firenena, hoy ihany izy. Araka ny fanazavan’ity mpitari-tolona avy amin’ny Mafana ity dia hifamolahana amin’izao ny fampiharana ny andininy faha-20, dia ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana an-kalalahana eto, manao politika.

Eo koa ny momba ny famoahana ireo gadra politika sy ny fanokafana ny TVM sy RNM amin’ny mpanohitra, sy ireo haino aman-jery hafa nakaton’ny FAT. «Izao dia fotoanan’ny tolona ambony vatolampy, izay tsy mahay mihazona dia vaky loha», hoy ihany i Constant Raveloson. Rehefa tsy mahay mihazona sy mampiaraka ny diplomasia sy ny fitakiam-bahoaka dia miaraka vaky loha eto, araka ny fanazavany ihany. Ny filoha Ravalomanana no fitaratra, izy no lakile. Izay lazainy dia arahintsika, hoy izy. Nohamafisiny ny tokony hisiana fifampatokisana amin’ny sarotra sy ny tena mafy satria efa tsy fotoanan’ny fahefana tsiponina an-tsisin-dalana intsony izao.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT