Politique

Constant Raveloson “Ny toky fitaka fa ny atao ro hita”


  • Alakamisy 03 Novambra 2011

Tolona iaraha-manana no natao ary mbola atao ao amin’ny kianjan’ny Magro, araka ny fanazavan’i Constant Raveloson nanoloana ireo mpanara-dia ny Ankolafy telo, omaly.

 Samy tompony ny rehetra satria demokrasia no atao, hoy izy. Izay fitomaniana ny demokrasia izay no nahatonga azy sy ireo mpiara-dia aminy hitaky ny fahazoana ny Kianjan’Ambohijatovo, niafara tamin’ny fitorahana lakrimozena sy namonjana ireo mpiara-mitolona. Tsy fanjakan’ny Baroa anefa ny demokrasia fa adihevitra no atao ary dia manana ny fitsipi-dalaony. Mahazo miady hevitra, miteny saingy tsy mifandramatra. Fa ny tena zava-dehibe dia misy mpitarika. Anisan’ny fitsipika anaty demokrasia ny fanarahana ny tenin’ny mpitarika sy ny fifanajana, hoy ihany i Constant Raveloson.

Raha mifanipaka amin’izay heverin’ny tena fa tokony ho izy anefa ny ambaran’ny mpitarika dia zon’ny tsirairay ny mihataka na misintaka. Ankoatra izay dia notsindrian’ity mpitari-tolona avy amin’ny MFM ity ny resaka fanjakana tetezamita. Satria izany no resahina, hoy izy, dia iaraha-mahafantatra ny tanjona fa ny fampiharana ny sori-dalana, indrindra ny andininy faha-20 dia ny fampodiana tsy misy fepetra ireo sesitany politika, ao anatin’ireny ingahy Ravalomanana.

Noho izany dia mila fihetsika sy fanapahan-kevitra avy amin’ny governemanta mazava hoe hampody tsy misy fepetra ireo sesitany, halalahana ny fanehoan-kevitra sy ny fanaovana politika, avoaka ireo gadra politika rehetra. Tsy vitan’ny fanambarana ofisialy izany fa mila ilay atao hoe “acte governemental”, hoy ihany i Constant Raveloson izany hoe raiketina an-taratasy, amin’ny alalan’ny didim-panjakana ny fanatanterahana ireo rehetra ireo. Tokony hipetraka ihany koa ny tetiandro hanaovana ny dingana rehetra manomboka eto. Fanontaniana moa no napetrany raha toa ka efa misy izany. Andrasana, araka izany, izay ho tohin’ny asan’ny governemanta Omer Beriziky taorian’iny famindram-pahefana omaly teny Mahazoarivo iny. Tamin’ny lahateny nataony moa dia nampanantena fa hanaraka an-tsakany sy an-davany ilay sori-dalana nosoniavina ingahy Beriziky ary miantso fifampidinihana amin’ny ankolafy Ratsiraka sy ny ankolafy Ravalomanana ary ny ankolafin-kery politika hafa. Ny toky anefa fitaka fa ny atao no hita ka dia ny ampitso no hamantarana izay.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT