Politique

Constant Raveloson Misy Frantsay ao anatin’ny Tafika ao


  • Zoma 28 Oktobra 2011

Arivo andro no namadihana ireo mpisetrasetra voatery hitady lalana hifanakalozan-kevitra aty amintsika, hoy i Constant Raveloson, nanoloana ireo mpiara-dia aminy tetsy amin’ny kianjan’ny Magro omaly.

Handalo fisedrana ny demokraty anio, hoy izy eo am-piandrasana izay olona voatendry ho praiministra. «Ianareo niaritra ny orana, ny masoandro migaingaina, ny basy aman-tafondro, ny lakrimozena, ny fisamborana sy ny fanagadrana, nanomboka teny Ambohijatovo, nandalo an’Anosy sy Ankorondrano ka tonga eny Behoririka… Ianareo no demokraty, ianareo no setrim-pahefana», hoy ihany izy. Hentitra ny lehilahy amin’izay ho praiminisitra dia «izay ankatoavin’ireo filoha voafidim-bahoaka telo mirahalahy ihany, ary izay ihany, tsy misy ankoatra izay, izay no izy». Manentana ireo mpiara-dia ny tenany mba ho tonga maro eny an-kianja amin’ity anio ity satria eny no hiatrehana izay sahiny avoaka, hiatrehana koa raha mbola sahy hanao sangy ratsy amin’ny firenena i Andry Rajoelina.

Isika izao no porofo fa tsy nahavita inona afa-tsy ny namotika ny firenena ny fitondran’i Andry Rajoelina hatramin’izay, hoy ihany ity mpitaritolon’ny Mafana ity. Nasiany tsindrim-peo ny momba ireo be galona mitabataba ho nailika. «Ianareo no nampidi-doza teto amin’ny firenena tamin’ny 2009. Efa nomen’ny filoham-pirenena anareo ny fahefana tamin’izany kanefa tsy noraisinareo», hoy i Constant Raveloson. Araka ny vaovao nampitainy ihany dia misy teratany frantsay ao anatin’ny tafika malagasy ao, manao fanamiana miaramila malagasy, mitondra ny galona malagasy ary dia midika izany fa manana fahefana mitovy na ambony aza noho ireo Malagasy ka tsy maintsy toavin-teny. «Raha tena miaramila ianareo dia potsero ireo dia mifanaja isika.

Raha hifandrahona kosa dia aoka etsy. Ny haja sy voninahitra ho anareo be galona dia ny jery atrika amin’ny tetezamita tena izy. Tsy mety aminareo be galona ny mihaza sy mifofo ny demokraty», hoy ihany Raveloson nanizingizina. Fa ankoatra izay dia nasiany resaka ihany koa ny momba ny andininy faha-20 sy faha-30-n’ilay sori-dalana. Dia eo ny fampodiana tsy misy fepetra ireo sesitany anisan’ireny ny filoha Ravalomanana sy ny faharavan’ireo natsangantsangan’ny FAT hatramin’izay toy ny CT, CST, CENI ary CMDN. Nohamafisin’i Constant Raveloson fa hojerena manomboka anio izany na ho tanteraka ireo andininy ireo, raha hiverina amin’ny laoniny ny fahafahana eto amintsika, raha hivoaka ireo gadra politika. Tsotra ny resaka, hoy izy : «ny tompon’ny tany raha tiana hilamina dia ny sivily ihany».

Nangonin’i Soa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT