Fotoana handinihana tsara izao, ary fotoana hanapahan-kevitra ry namako isany, hoy ny hafatra nataon-dRaveloson Constant ho an’ny namany ao anatin’ny MFM manoloana ny raharaham-pirenena ankehitriny.
Ny naha MFM dia ilay fijoroana hitarika ny vahoaka an-kalalahana, hitarika ny vahoaka hiavo-tena amin’ireo nampahantra sy nandetika ny firenena. Niainga hatrany amin’ny madinika mihitsy aza tany am-piandohana mba hiavo-tena sady manavotra ny firenena, hoy izy. Koa amin’ity indray mandeha ity, dia anjarantsika no mba mailo sy mahasahy. Resaka demokrasia ity, resaka fahalalahana koa manainga antsika rehetra, sahia isika satria ny mitaky izany indrindra no maha MFM antsika, hoy izy. Mikasika ny tolon’ny depiote, dia ny mamba noana mahatsiaro ho very remby sy ny matahotra ny ho very seza any an-dapa any no mamendrofendro sy manapempo antsika lalandava amin’ny hoe “fanonganam-panjakana”, hoy ity Filohan’ny KMMR 2018 ity. Ny hoe miala ny filoha amin’ity indray mitoraka ity, dia hiderana ny depiote satria tena nentiny tamin’ny fomba araka ny lalàna sy ny lalàmpanorenana hatramin’izao, hoy izy. Tsara ny mampahatsiahy hatrany fa voafaritry ny lalàmpanorenana ao amin’ny andininy faha-167 ny fahafahana mangataka fanalana ny filoha, raha misy ny tsy mety ataony. Raha miala ny filoha dia tsy mety ary tsy rariny, ary tena fanitsakitsahana mihitsy, raha ilay rangahy filohan’ny HVM no handimby azy eo satria tompon’antoka tanteraka amin’ny fanaovana zinona izao lalàmpanorenana izao io, hoy hatrany Raveloson Constant. Nambarany moa fa na miala na tsy miala ny filoha, dia tsy azo hiverenana intsony, fa mila haverina daholo ireo haino aman-jery, izay noravana sy nakatona noho ny sotasota politika,.. izany dia tokony hahitsy daholo. Ny minisiteran’ny filazam-baovao, dia aoka mihitsy, ary raha ny mety indrindra aminy dia any am-pelatanan’ireo mpitolona ho an’ny demokrasia. Ilay tanànan’Antananarivo nopotehina sy nampahorian’ny fanjakana, tsy nomena vola io manao valin-kafatra io, raha ny fanehoan-keviny. Efa tsy mijanona ho 73 ihany koa ireo depiote fa miampy, raha ny reny, ka deraina manokana izany, hoy izy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.