Communauté Musulmane de Madagascar

“Tsy fanonganam-panjakana ny fitakiana fanajana lalàna sy ady amin’ny jadona”


  • Talata 17 Oktobra 2023

Mahatsapa ho manana adidy sy manana andraikitra ka naneho ny heviny momba ny raharaham-pirenena ny

Communauté Musulmane de Madagascar, araka ny tafa nataon’izy ireo omaly tetsy Antaninarenina. Mandala ny fitoniana, filaminana, ary fandriampahalemana ny finoana silamo satria ao anatin’izany ihany no ahafahana manao fampandrosoana. Tsy hitondra tombotsoa na ho an’ny vahoaka na ny mpitondra ny korontana, ka mamporisika ireo Vondron’olona rehetra mba hivondrona hitambatra sy hifampidinika hitady vahaolana satria efa tonga any amin’ny fandratrana, fisamborana, ary mananontanona amin’ny krizy lehibe raha jerena amin’izao zava-misy ankehitriny izao, hoy izy ireo tamin’ny alalan’Atoa Alain Abou Bakary. Tsy mety ny fampihorohoroana, herisetra, fandratrana,… na avy amin’iza na avy amin’iza ka tsy ekena, tsy ahitana vahaolana ny fiziriziriana amin’ny hevitra, fa mila fifampiresahana sy fitadiavana marimaritra iraisana, hoy izy ireo. Nanipika fa tsy misy setroka raha tsy misy afo, ka matoa misy ny savorovoro sy korontana, dia tsy misy afaka hiteny fa tsy misy azo kianina na ny andaniny na ny ankilany. Eo anatrehan’ny zava-misy, misy miteny foana hoe fanonganam-panjakana, grevy ny fitakiana mandeha amin’izao, ka izahay indray mahita fa tsy fanonganam-panjakana fa fitakiana madio mikasika ny fanajana lalàna ary isan’ny foto-kevitra lehibe amin’ny finoana silamo ny fanajana lalàna, ady amin’ny didy jadona sy tsy rariny,… izay isan’ny hitezana ny mpino silamo, hoy hatrany izy ireo. Matoa misy ny fidinanana an-dalambe dia misy ny zavatra tsy mety mila harenina. Tsy mety ny fiziriziriana fa mila miditra amin’ny fikatsahana tombotsoa, hoy ny Communaté Musilmane de Madagascar. Isan’ny antso nataon’izy ireo ihany koa ny hoe efa rivotra mitsoka eran’izao tontolo izao ny fanovana, ka mitaona ny rehetra hizotra amin’izany. 63 nahazoana fahaleovantena isika Malagasy fa mbola latsaka an-katerena ny firenena, fahadimy mahantra indrindra eran-tany. Tokony hahatsapa tena ny tsirairay na ny efa nitondra na mieritreritra fa mbola hitondra fa fotoanan’ny fiovana sy fotoanan’ny fanovana izao, ary vonona hitondra ny anjara biriky amin’izany ny Comité Musulmane, hoy hatrany izy ireo, izay naneho fa misokatra amin’ny fitadiavam-bahaolana ho an’ny firenena satria manana ny toerany eto Madagasikara, faritra 5 raha kely eto Madagasikara no maro an’isa ny mpino silamo, izay mivelatra amin’ny rehetra.

Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT