COLLECTIF DES CANDIDATS

Hovitaina amin’ny herinandro ambony ny tolona


  • Alakamisy 26 Oktobra 2023

Nivoaka ny faritra Analamanga ka nitsidika an’Imerintsiatosika, distrikan’Arivonimamo ao anatin’ny faritra Itasy

ny diaben’ny Vondron’ny kandida androany alarobia rehefa niainga teny Anosizato andrefana nandaloan’Ampitatafika. Hita ho niakatra ambony kokoa ny hamafin’ny hetsika. Mila sahy, mila vonona ianareo fa ho vitaintsika amin’ny herinandro ho avy ny tolona, hoy ny Collectif des Candidats tany Imerintsiatosika omaly tolakandro. “Hongotantsika hatrany amin’ny fotony ny fitondrana jiolahimboto. Miomana ary ianareo fa amin’ny herinandro dia ho vitaintsika io”, hoy ny i Hajo Anrianainarivelo, teny mahitsy sady mazava. Ary mbola nanamafy an’io i Marc Ravalomanana nanao hoe : tsy hamelantsika hatramin’ny farany fa tsy maintsy mandresy, mila vonona tsara miandry ny toromarika. Ho an’ny kandida Tahina Razafinjoelina indray dia nitodika manokana tamin’ireo mpamokatra tao Imerintsiatosika izy ka nilaza fa tsy mila tosika fameno i Imerintsiatosika fa ianareo no manosika ny firenena., hoy izy ary manomboka izao dia isika mpamokatra no tompon’ny lakile. Nanisy fanamarihana momba ny mpitandro filaminana teny Ampitatafika nidina tao amin’ilay toerana nanaovana hetsika, ihany koa izy. Fa maninona, hoy izy, no tsy nitsofoka tao amin’ny Malacam tamin’ilay kandida nanao hetsika ary avy eo nanao diabe teny an’arabe izy ireo . Niverimberina ny hoe ny fitiavan-tanindrazana no mibaiko antsika ary tsy voavidy vola izany isika fa tena tolona ho an’ny taranaka sy ny firenena ity atao ity. Tsy tolona ho an’ny kandida fa tolona ho an’ny Malagasy. Nanamafy hatrany ny vondron’ny kandida fa tsy misy miditra amin’io fifidianana efa hita fa hanakorontana firenena io, tsy mety io fa tsy maintsy miresaka aloha ary diovina ny tokontany. Mila apetraka eto ny tany tan-dalàna, mila averina amin’ny Malagasy ny taniny. Nisintona ny sain’ny mpiray tanindrazana, ny vondron’ny kandida hoe tandremo sao fanambatambazana kely indray andro no hibabena voka-dratsy mandritra ny 5 taona manaraka. Mbola nohamafisina ihany koa fa hetsika, tolona am-pilaminana no atao ary mila manam-pinoana fa tsy maintsy mandresy.
Nangonin’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT