Coktail Molotov

Natao ho arehitra sy atsipy fa tsy apetraka fotsiny


  • Talata 06 Mey 2025

Raha ny famaritana ny atao hoe Coktail Molotov voarakitra anaty Rakibolana no tsiahivina

dia voalaza fa izy io dia fitaovam-piadiana voatr’olombelona natao handoro na «arme incendiaire artisanale». Amin’ny ankapobeny, ireo singa ao anatiny dia tsiranoka mila fandrehitra na «liquide inflammable». Matetika izany dia na lasantsy na alikaola anaty tavoahangy vera, raha ny voalazan’ny famaritana azy hatrany. Matetika hita anaty horonantsary samihafa, na sarimihetsika io na vaovao iraisampirenena, moa ilay tavoahangy somary misy lahany mivoaka, izay hodorana izay vao hatsipin’ireo mpanao fihetsiketsehana any am-pitan-dranomasina any. Natao ho arehitra sy atsipy fa tsy apetraka fotsiny izany ity karazana fitaovam-piadiana iray ity fa tsy apetraka fotsiny ary somary mahagaga ihany, noho izany, ny filazàna hoe hitan’ny mpitandro filaminana ilay izy. Hita tsy nirehitra sy tsy naninon-tsy naninona ve izany nefa nolazaina fa manam-boninahitra teo anivon’ny tafika no atidoha nikotrika izany? Na ny mikirakira fitaovam-piadiana mahery vaika lavitra noho izany aza ve izany tsy ho haina manam-boninahitra toy izany? Manam-boninahitra izany ve moa tsy nandalo ambaratonga samihafa teo anivon’ny tafika? Nambaran’ilay manamboninahitra Kolonely tamin’ny ampamoaka izay nataony farany teo moa, raha tsiahivina, fa nandao handotoana azy ny resaka Coktail Molotov. Tetsy ankilany kosa ny teo anivon’ny fitandroana ny filaminana dia nanamafy fa tena nisy mihitsy ny fikasàna fanakorontanana notarihin’ity Kolonely karohina ankehitriny ity tamin’ny alalan’izany fitaovam-piadiana izany. Izay voalaza izay aloha na izany na tsy izany ny famaritana ny antsoina hoe Coktail Molotov, raha ny voalazan’ny rakibolana.
J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT