Politique

CMT_Toe-draharaham-pirenena “Ho zava-doza io fifidianana io raha tsy diovina”


  • Zoma 15 Septambra 2023

Voahitsakitsaka tanteraka ny lalàmpanorenana, atao tsinontsinona ny vahoaka Malagasy sy ny mpisehatra politika

ary ny tompon’andraikitra rehetra eto amin’ny firenena, raha tsy hilaza afatsy ny fandraisan’ny governemanta fahefana raha tokony ho ny Filohan’ny antenimierandoholona, hoy ireo Mambra ny Kongresin’ny tetezamita teo aloha na MCT ahitana an-dry Beanjara Paul, Razanakoto Norbert,… omaly. Tsy azo ekena, hoy izy ireo, ny firaisana tsikombakomba amin’ny famotehana ny firenena sy ny fanaovana tsinontsinonana ny vahoaka Malagasy. Ny HCC izay tokony ho mpiaro ny lalàmpanorenana dia mitarika amin’ny fandikan-dalàna, ka tsy misy fanajana lalàna fa mety hivilana avokoa ny fitsarana ny fifidianana, hoy izy ireo. Mila havoaka ny taratasy milaza ny fanapahan-kevitry ny Filohan’ny Antenimierandoholona satria raharaham-pirenena ity fa tsy raharahan’ny TGV. Manginy fotsiny ny tsy tokony ho fahafahan’ny Filoha teo aloha Andry Rajoelina mirotsaka hofidiana. Aoka hazava, fa tsy ny zom-pirenena Frantsay no ananany, fa “naturalisation Frantsay” ka misy tsy fitoviana izany, ka raha hainy tsara ny manavaka izany dia ny olona nahazo an’io “naturalisation” io, dia manao fihanianana hiaro ny tombotsoan’I Lafrantsa, hoy hatrany ny MCT. Tsy nitsitsy izy ireo nilaza fa tsy misy vidiny intsony ny olom-boafidy, fa olom-boatendry no milalao baolina eto, ka mitsimbadika izany, manakorontana, famadihan-tanindrazana,… Raha ny zava-misy amin’izao dia tsy mitondra makany amin’ny fitoniana ny fifidianana terena hatao ny 09 novambra, ka aminay dia andao aloha haorina ifotony I Madagasikara, ary diovina ifotony fa maloto loatra, ka miantso ny FFKM sy ireo Raiamandreny hitarika ny dinika hanadiovana ny tsy mety rehetra, hoy ny MCT. Manaiky anefa izy ireo, fa ny fifidianana no lalana ahafahana mizotra any amin’ny fifandimbiasam-pahefana milamina ara-demokratika, saingy raha atao ao anaty korontana sy lalao maloto, dia tsy mitondra fitoniana, araka ny fanamafisany, izay naneho fa tandindonin-doza ny firenena Malagasy amin’izao fotoana izao satria mihenjan-droa ny tady eo amin’ny Fanjakana sy ny vahoaka. Izay ireo izay nampahatsiahy, fa nisy tamin’ireo lalàna nataony tamin’izany no azo hakana lesona handaminana ny firenena.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT