Politique

Clémence Raharinirina « Tsy maintsy miteny aho ho fiarovako ny vahoaka »


  • Alatsinainy 13 Febroary 2023

Clémence Raharinirina, filohan’ny fikambanan’ny fiara karetsaka eto Antananarivo renivohitra irery sady mpanolon-tsaina

eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra hatreto no olona notoriana in-tsivy teto amintsika raha araka ny fanazavany ka nahazoany ilay sazy miantona 12 volana. Ny tsy hahafahako miteny mihitsy hoy izy no tanjon’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo ankehitriny saingy na izany aza tsy maintsy mbola hiteny aho. Tsy afaka hijery fotsiny ny tenako hoy Clémence Raharinirina raha mbola mahita zavatra tsy mety sy tsy mandeha amin’ny fitantanana ny tananan’Antananarivo renivohitra. Olom-boafidy aho hoy izy amin’ny mpanolon-tsainan’ny tanàna ahy, nametrahan’ny vahoaka fitokisana noho izany tsy afaka ny hipetra-potsiny. Toraka izany koa hoy izy ny maha-filohan’ny FTAR ahy. Tsy afaka ny hangina ihany koa ny tenako hoy hatrany Clemence Raharinirina rehefa misy antsojay mahazo ireo mpikambana eo anivon’ny FTAR….Nilaza araka izany Clémence Raharinirina fa tsy maintsy hijoro hatramin’ny farany ny tenany na inona na inona hitranga.
Pati
Legende : Raharinirina Clémence, olom-boafidy sady filohan’ny FTAR
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT