Clémence Raharinirina, fifidianana

« Fanilihana ny tanora sy ny madinika ilay anto-bola midangana »


  • Zoma 16 Aogositra 2024

Fanilihana ireo tanora sy ireo madinika ho an-dRamatoa Clémence Raharinirina,

mpanolontsaina eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra no antony nampiakarana ny vola alohan’ireo kandida Ben’ny tanana eto amintsika. Lazaina ombieny ombieny hoy izy fa ny tanora no ho avin’ny firenena nefa aiza no ahitan’ny tanora lela-vola 20 tapitrisa Ar hirotsahana hofidiana raha tsy hiresaka afa-tsy ny kaominina Antananarivo renivohitra sy Sainte Marie ary Nosy-Be izay ambara ho hors catégorie ? Raha kely anefa hoy izy ho an’ireo kandida efa fantatr’olona dia 100 tapitrisa Ar eo ho eo ny lela-vola ilaina raha mbola mihoatra lavitra noho izany ho an’ireo vao hiseho vahoaka sy hamolaka. Ny fifidianana Ben’ny tanana hotanterahina amin’ny datin’ny 11 Desambra io anefa no fifidianana manakaiky vahoaka indrindra eto amintsika saingy mampalahelo ny zava-misy. Notsiahiviny moa fa tsy mihoatra ny 1.800.000 Ar ny karaman’ny Ben’ny tanana iray eto amintsika miankina amin’ny kaominina tantanany. Tsy manana tombontsoa firy ihany koa izy ireny raha oharina amin’ny Solombavambahoaka nefa dia tena diso mihoampampana loatra ny vola alain’ny Fanjana aminy.
Pati
Legende : Izy no Raharinirina Clémence, mpanolontsaina eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT