Politique

Chrysoula Zacharopoulou Nanamafy fa eo anilan’i Madagasikara hatrany i Lafrantsa


  • Zoma 19 Mey 2023

Nifarana ny alarobia 17 may teo ny fitsidihana nataon-dRtoa Chrysoula Zacharopoulou Sekreteram-panjakana Frantsay miadidy ny fampandrosoana,

ny frankofonia, ary ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena an’I Madagasikara. Nisy ny fandraisan’anjarany tamin’ny Filankevitry ny Minisitra anatin’ny Kaomisionin’ny Ranomasina Indianina na ny COI, izay nanakatona ny fitantanan’ny Malagasy ny toerana maha Filohan’ny io COI io. Zava-dehibe amin’i Lafrantsa io rafitra iraisam-pirenena io, ary efa 40 taona izy ireo no mpikambana eo anilan’i Madagasikara, ny Vondron’ny Nosy Kaomoro, Maorisy ary Seychelles, hoy hatrany io Sekreteram-panjakana Frantsay io. Nanamafy ny finiavan’i Frantsa amin’ny asa iraisana mikasika sehatra maro toy ny fandriampahalemana, ny tontolo an-dranomasina, ny fidirana amin’ny sehatra ara-toekarena, fiarovana ny tontolo iainana, na koa ny fiaraha-miasa ara-pahaslamana. Nanamafy ihany koa ny finiavan’ny Eoropeanina amin’ny alalan’ny Global Gateway izay ahafahana manafaingana ny fanovana ara-ekolojika, angovo, ary ny nomerika ho an’ireo firenena mpiara-miombon’antoka amin’i Lafrantsa, ka tafiditra ao anatin’izany ny COI sy Madagasikara, mba hametrahana an’io faritra io ho sehatra malala sy mivelatra ho amin’ny soa iombonana, ao anatin’ny fanajana zo aman-dalàna sy amin’ny alalan’ny fitadiavana fiaraha-miasa mivelatra araka izay azo atao. Ankoatra ireo fihaonana samihafa, isan’ny nanamarika ny diany ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny AFD (Agence Française de Développement) sy ny Minisiteran’ny toekarena sy fitantanam-bola mikasika ny fiarovana ny tontolo iainana, izay misy fampiasam-bola 2 tapitrisa euros, ary teo ihany tohana ho an’ny fitantanam-bolam-panjakana 7 tapitrisa euros. Nandritra ny fihaonana tamin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina kosa no nanamafisan’ity Sekreteram-panjakana Frantsay ity ny fanamafisana sy ny fivelaran’ny fiaraha-miasa eo amin’ny Firenena roa tonta. Ara-politika sy jeopolitika, tombanana ho tsy tongatonga ho azy ny fahatongavan’ity tompon’andraikitra Frantsay ity teto amin’izao mialohan’ny fifidianana izao, ary andrasana ihany koa ny fahatongavan’ny Minisitry ny raharaham-bahiny Cathérine Colonna, raha tsy misy ny fiovana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT