Politique

CHRR Ambatondrazaka Lasa sorona ny vahoaka


  • Talata 08 Novambra 2011

Hatramin’ny nanombohan’ny krizy 2009 no tsy nilamina intsony ny fiaraha-monina teo amin’ireo samy mpitsabo eo anivon’ny hopitaly CHRR Ambatondrazaka.

Miseho lany ny disadisa ateraky ny fahaverezana fitaovana tao amin’ny hopitaly fandidiana. Tsy mifampatoky ny lehibe sy ireo samy mpiasa eo anivon’ity hopitaliben’Ambatondrazaka ity. Ireo vahoaka tonga mba hitsabo tena anefa no lasa lasibatra avy amin’izay tsy fifankahazoana eo amin’ny samy mpiasan’ny fahasalamana ao amin’ny hopitaly CHRR Ambatondrazaka izay. Anisan’ireo mahatsiaro ho misedra olana avy amin’io tsy fifankahazoan’ny samy mpiasa io ny fikambanana Vatosoa izay fikambanana mpanao asa soa efa niara-niasa tamin’ny CHRR Ambatondrazaka efa taona maro izay. Nahavariana io fikambanana mpanao asa soa io ny tsy fandraisana andraikitra teo amin’ireo mpiasan’ny hopitaly nandritra ny fotoana nanatanterahan’izy ireo ny hetsika ho fanaovan-tsoa toy ny fanolorana fitaovam-pitsaboana isan-karazany sy ny fizaham-pahasalamana maimaimpoana. Tsy mba nomena toerana nahafahana nandray marary ireo mpitsabo avy amin’ny fikambanana Vatosoa ireo. Ny vahoaka mihitsy no lasa sorona avy amin’io tsy fifankahazoana eo amin’ny samy mpiasan’ny hopitaly io. Ny vola hatrany no miresaka fa izay fitsinjovana ny madinika tsy misy intsony. Miantso fandraisana andraikitra avy amin’ny fanjakana foibe, araka izany, ny vahoaka any Ambatondrazaka mba hijery akaiky ny olana misy ao amin’ny hopitaliben’Ambatondrazaka io fa mahatsiaro atao anjorombala sy tsy misy mpiantra izy ireo.

Niry A.
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT