Politique

Christine Razanamahasoa Sady mampiditra no mamoaka


  • Alarobia 19 Oktobra 2022

Ankoatra ireo tatitra samihafa momba ny asan’ny antenimiera, niresaka fiainam-pirenena ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena Christine Razanamahasoa.

Nomarihiny fa mirongatra ny tsy fandriam-pahalemana, saingy tsy any amin’ny tsy fahafezan’ny fanjakana izany no zoro nitondrany azy fa hoe: ahiana ny fisian’ny finiavana hamboly korontana ao ambadika. Nambarany fa mila hamafisina ny rafitra sy ny tetibola entina miatrika ny doro ala sesilany. Momba ny ampamoaka maro, izay matetika mahasaringotra olona ambony. “Fotoana izao tokony hanolorana lalàna mikasika ireo mpisintona lakolosy na «lanceur d’alerte », tahaka izany ihany koa ny “compte fake” satria lasa mibahan-toerana ny gaboraraka, tsy ahafahantarana ny marina sy ny tsy marina, lasa fanosoram-potaka,… “, hoy izy. Nomarihiny kosa fa tongo-bakivaky ka sady marary no mahamenatra ny raharaha Ikongo, ary manantena fitoniana, manaraka akaiky sy miandry ny tohin’ny fanadihadiana, misy ihany koa ny fangatahana fanadihadiana parlemantera izay hodinihina. Momba ireo afera mahasaringotra depiote, afak’omaly nilaza fa betsaka ny maloto saingy ny an’ny solombambahoaka no ezahina haharihary, izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato azy, tsy anjely ny depiote, izay tsy mety harenina,… Omaly indray, “valalanina mahita ny fampahalalam-baovao etsy sy eroa, amin’ny tambazotran-tserasera, misy solombavambahoaka manao an’izao sy izao, manentana sy mampahatsiaro ny solombambahoaka fa ireo no mpanao lalàna ka tokony ho filamatra amin’ny fanarahan-dalàna, ka tsy hitsabaka amin’ny fahefana tsy nomena antsika. Ny “immunité parlementaire” dia natao ho fiarovana amin’ny fanehoan-kevitra ara-demokratika sy hanamorana ny asa, fa tsy hialokalofana amin’ny fanaparam-pahefana sy hanafenana ny ratsy izay atao…”, hoy izy. Niantso fisaraham-pahefana tsy hisian’ny fifampitsabahan’ny mpanatanteraka sy mpanao lalàna ary mpitsara, fa indrindra ny fanaparam-pahefana sy fisandohan’andraikitra. Toa namely ankolaka ireo depiote tahaka an-dry Lanto Rakotomanga, Mohamad Amad,… izay voatonontonona amin’ny fanaparam-pahefana sy afera maloto, na naneho aza fa tsy azo ekena ny fanendrikendrehana tsy misy porofo. Hisy fandraisana andraikitra toy ny fanesorana ny “immunité parlementaire” ary ve ahafahan’ny fanadihadiana sy ny famotorana handeha hivoahan’ny tena marina ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT