Politique

Christine Razanamahasoa “Rajoelina no bôgôsy sy tanora azo amidy”


  • Alatsinainy 17 Aprily 2023

Ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa izay avy amin’ny faritra Amoron’I Mania no nitarika ireo depiote IRD tonga nanotrona ny Filoham-pirenena tany Ambositra ny sabotsy teo.

Niantso an-dRajoelina hirotsaka hofidiana ity farany, ary nilaza fa tokony hanam-paharetana ny rehetra. “Ireo ny vahoakanao, manome toky anao, mangataka anao amin’ny ho avy io, aza miamboho anay ianao fa mirotsaha… Tonga ilay nandrasana, ary izahay maharitra, fa izay maharitra vadin’andriana fa izay tsy maharitra vadin’i Kotokely satria izahay tsy te ho vadin’I Kotokely fa misy Kotokely mandehandeha any”, hoy I Christine Razanamahasoa. Nitodika tamin’ireo depiote namany, izay nitsangana nandritra ny kabariny, ka nilaza fa tsy mbola nisy firaisan-kiana tahaka izao tao amin’ny Faritra Amoron’I Mania, nanotrona ny filoha satria mamintsika, io ny antsika, hoy hatrany I Christine Razanamahasoa. Niantso ireo depiote efa nifindra lasy hanao tahaka ny zanak’adala ka hody ao an-tranony, tsy hiala amin-dRajoelina ihany koa io Filohana andrim-panjakana io. “Io ny antsika, io no mora amidy satria sady tanora no bogosy”, hoy izy. Tsy efa ny fivoizana ny hoe: tanora, bogosy, mahavita azy,… ve no nandetika ity firenena ity? Ny endrika ivelany no fidiana sa ny fahaiza-manao sy ny traikefam-pitantanana? Mandeha ny serasera hoenti-maneho fa mbola miara-dalana amin’I Andry Rajoelina ny depiote maro an’isa, na misy aza ireo nisintaka niala tsy ho IRD. “Depiote 100 latsaka no tonga aty, avy amin’ny faritra rehetra. Mbola tsy misy solombavambahoaka maro be tahaka izao tonga teto Ambositra hatramin’ny naha Ambositra azy”, hoy hatrany ny Filoha. Tsiahivina fa ny 01 aprily teo no efa nisy fampanantsoana ireo depiote IRD tany an-tranon’ny Filoha izay nentina tamin’ny endrika fetifety amin’ny maha mpinamana. Nialohan’izay, nalefa teny amin’ny antenimierampirenena nihaona tamin’ny Filohan’io Andrim-panjakana io nitsapa rano ireo ny Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika. Midika ireny fa nisy fikoropahana sy tsy fahatokisan-tenan’ny Fitondrana, ary mbola mampanahy ny aoriana eo anatrehan’ny tsio-drivotra politika mandeha.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT