CHRISTINE RAZANAMAHASOA

« Fadio ny mirary ratsy ireo tsy mitovy hevitra aminao »


  • Alarobia 13 Martsa 2024

Naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena sy ny zava-misy

amin’ny ankapobeny eto Madagaskara ny filohan’ny Antenimierampirenena Razanamahasoa Christine taorian’ny diany tany Frantsa niatrika ny fihaonana an-tampon’ireo vehivavy filohana Antenimierampirenena. Hoy indrindra izy : « Tsy tokony hitazana sy hitsetra fotsiny ny zava-manjo ny firenena ny vehivavy fa mila mandray andraikitra. Fadio ny mirary ratsy ny olona tsy mitovy hevitra aminao. » Manankarena kanefa mahantra, i Madagasikara hoy i Christine Razanamahasoa. Maro ny foto-drafitrasa no miantona ny asa, tsy ny rafitra no sakana amin’ny fampandrosoana eto fa ny olona no sakana mankadiry, hoy izy . Nahitsy i Christine Razanamahasoa niteny fa maro ireo vahiny maniry ny hamorona asa sy hampiasa vola eto Madagasikara saingy matahotra, eo aloha ny lalana potika, ny olan’ny fampaham-bokatra, ny lalàna, ny ttontolon’ny fandraharahana na climat des affaires izay mampitaintaina, ny tsy fahampian’ny angovo enti-mamokatra noho ny olan’ny Jirama. Tsy irery ny malagasy amin’ny fampandrosoana fa misy mpiara-miasa. Mirary soa ny vehivavy miraisa hina , mifankatiava.Anisan’ny fototra afaka mampiova ny tantara ny vehivavy ary manana ny herin-tsaina rehetra ilaina amin’ny fanovana . Efa mar ny vehivavay manerana izao tontolo izao no manapahaizana misehatra amin’ny politika. Fa nitondra hafatra ho an’ny vehivavy ihany koa izy ka nanambara fa Anisan’ny fototra afaka mampiova ny tantara ny vehivavy ary manana ny herin-tsaina rehetra ilaina amin’ny fanovana. Ry vehivavy Malagasy, raiso ny adidy tandrify anao ho amina tanjona sy fiainana kokoa, hoy i Christine Razanamahasoa. Ho an’ireo mpisompatra kosa dia tsarovy, hoy izy : « aza manao izay mampalahelo ny vehivavy fa Andriamanitra no miady ho azy ».
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT