Christian Tabera

Nosamborina, navotsotra, hohadihadiana…


  • Zoma 08 Desambra 2023

Nosamborina teny amin’ny toeram-ponenany teny Ambohibao omaly maraina ny

Filoha lefitry ny tanora RMDM Tabera Christian. Nentina teny amin’ny Sampana fikarohana momba ny heloka bevava teny Fiadanana. Tsy fantatra mazava ny tena antony, fa raha tsiahivina dia ny 15 novambra 2023 lasa teo no voalaza fa efa nanaovan’ny mpitandro filaminana iray kamio bemidina tany an-tranony i Christian Tabera, hosamborina saingy tsy tratra. Ny 17 novambra, nanazava ny Minisitra teo aloha Tabera Randriamanantsoa rainy, fa noho ny antso nataony tamin’ny mpitandro filaminana tao anatin’ny fandaharana Angaredona manoloana ny herisetra mahazo ny mpitolona no voalaza fa antony. «Tao amin’ny Angaredona izy dia nilaza izy hoe : atsaharo ny fandratrana amin’ny grenady ataonareo io, fa tsy mety io, samy Malagasy isika. Izay zavatra izay no tsy tantin’ny kolonely F». Nilaza i Tabera Randriamanantsoa tamin’izay fotoana izay, fa tsy nisy didy avy amin’ny mpampanoa lalàna, ka nilazany fa fifofoana ny ain-janany io. Tetsy andaniny, niantso ny hanatsaharana ny fanenjehana azy ny Fikambanana Grand Sud Est tamin’io andron’ny 17 novambra io, ka nilaza fa ilaina miverina amin’izy ireo i Tabera Christian, ilainy halalaka, hilainy tsy henjehina intsony,… Nangingina ny raharaha, ary vao tsy ela no niakatra tamin’ny fandaharana manokan’ny fahitalavitra iray i Tabera Christian, ary nipoitra avy eo ny fibedana. Teo anatrehan’izay, voalaza fa nikasa hanao fanambarana ny Grand Sud Est ny andron’ny omaly. Andrasana ny fanampim-baovao ofisialy sy ny tohiny, fa raha ny vaovao azo omaly takariva, dia navotsotra i Christian Tabera, saingy asaina miverina anio. Mafampana ny toe-draharaha, manao tohivakana ny fampiantsoana eny amin’ny mpitandro ny filaminana mahakasika toe-draharaha politika, ary toa mifandrohy hatrany amin’ilay resaka fanonganam-panjakana amin’ny alalan’ny fikomiana ara-miaramila nolazain’ny Fanjakana, rehefa tena zohiana.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT