Tena henoko ilay fivoriana nataon’ny olom-pirenena sy ankolafin-kery samihafa teny Andavamamba tamin’ny alatsinainy teo ho fitakiana ny hamerenana amintsika Malagasy ireo nosy kely manodidina antsika iza bodoin’ny sasany, hoy ny depiote Randriamahefa Charle
s, saingy tsy afaka namonjy ny toerana aho fa namita iraka tany Moramanga. Iny, hoy izy, dia efa niady iny hatramin’izay izahay fony faha-Didier Ratsiraka ary fantatro tsara satria ny tenako dia mpanolontsaina tao aminy tamin’izany fotoanandro izany. Mankasitraka ary manohana ilay tolona aho satria marina fa tokony hiverina amin’ny Malagasy ireo nosy kely manodidina voalaza ary tsy maintsy hiadiana fa fahadisoana ny an’ny Ambasadaoro frantsay nanambara fa azy ireo nosy ireo. Raha hitsangana izany Vaomiera manokana hisahana ny « iles éparses » ety anivon’ny Antenimieram-pirenena izany, araka ny fangatahan’ny mpanao politika, dia anisan’ny hiditra ao anatiny ny tenako.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.