CES

> Nofoanany ilay didim-panjakana lah-2013-593 mahabe resaka


  • Alakamisy 19 Desambra 2013

Nofoanan’ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana tamin’ny alalan’ny fanapahan-kevitra laharana faha-23-CES/D ny 18 desambra 2013 ilay didim-panjakana lah 2013-593 tamin’ny 06 aogositra 2013 izay nahabe resaka tato ho ato.

Milaza moa io didim-panjakana io fa afaka miatrika fampielezan-kevitra ny lehiben’ny andrimpanjakan’ny tetezamita sy mpikambana ao amin’ny governemanta fa tsy mandray fitenenana, hanajana ny tsy fiandaniana. Nisy anefa ny taratasy nalefan’ny ankolafy Ravalomanana tany amin’ny CENI-T tamin’ny 28 novambra milaza fa nandika io tsy fiandaniana io ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina tamin’ny nilazany an-gazety tamin’ny 09 novambra fa manohana ny kandida Hery Rajaonarimampianina ary maneho ampahibemaso ny fanohanany ireo kandida depiote amin’ny lisitra MAPAR. Nalefan’ny CENI-T tany amin’ny CES ny raharaha, dia io nanapa-kevitra io ity rafi-pitsarana eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana ity fa foanana io didim-panjakana io. Nanazava ny CES fa fahefany tanteraka izany noho io didim-panjakana io mahakasika resa-pifidianana. Omaly alarobia 18 desambra 2013 tamin’ny efatra ora tolakandro no nivoaka ny didy, izay mety hisy fiantraikany amin’ny hoavin’ireo kandida voakasiky ny fanohanan’ny filohan’ny tetezamita, satria dia azo antoka fa hanao ranolava ny fitoriana fandikan-dalàna manomboka eto.

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT