Fangatahana ny hanaovana ny fampitahana ny firaketana an-tsoratra, fangatahana fanafoanana ny voka-pifidianana sy ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany natao tamin’ny 25 oktobra 2013, fitarainana momba ny lisi-pifidianana, fandikan-dalŕna amin’ny fametrahana afisy, famenoana ny firaketana an-tsoratra, filazana fa tena tsy nitovy mihitsy ny herijika niatrehan’ny kandida tsirairay avy ny fampielezan-kevitra.
Tahaka izay no azo amintinana ireo fitarainana sy fitoriana tonga eny amin’ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana na ny CES etsy Ambohidahy, izay nahatratra 13 hatry ny omaly hariva, fotoana fara-fandraisana ny fitoriana. Aorian’ny famoahan’ny CENI-T ny voka-pifidianana vonjimaika amin’ny 8 novambra, dia manana 15 andro handinihana ireo antontan-taratasy miaraka amin’ny porofo tonga eny aminy ny CES, ka aorian’izay vao hivoaka ny voka-pifidianana ofisialy hamantarana ireo kandida roa hiatrika ny fihodinana faharoa amin’ny 20 desambra 2013. Ny kandida Monja Roindefo dia nangataka tsotra izao ny hanafoanana iny fifidianana iny satria aminy dia kitoatoa tanteraka ny fikarakarana sy fanatanterahana azy. Nijoro vavolombelona izy ka nilaza fa ny tenany Monja Roindefo dia nahazo kara-pifidianana telo be izao, ny roa eto Antananarivo ary ny iray tany Toliara. Etsy an-kilan’izay dia nifoha tamin’ny torimasony indray ny «Collectif des Candidats» ary tena nanakiana mafy dia mafy ireo ambarany fa tsy fetezana tamin’ny fifidianana, lohalaharana mitarika ao Atoa Lahiniriko Jean izay nilaza fa tena kitoatoa ny fifidianana ary maro be ny zavatra mampiahiahy.
Tsy ho mora, araka izany ny asa miandry ny CES, ny filohan’ity andrim-panjakana ity dia efa nanamafy fa fanapahan-kevitra araka ny lalàna no horaisin’izy ireo fa tsy hoe fanapahan-kevitra hikatsahana fitoniana. «Ny lalàna dia ny lalàna ihany ny anay”, hoy izy. Tsy dia misy iadian-kevitra izany ny amin’iny fa dia tsy maintsy handraisan’ny CES fepetra avy hatrany ny tranga rehetra nahitana fandikan-dalàna, ka mety hisy ny fanafoanana ny voka-pifidianana tao amina biraom-pifidianana maromaro. Mety azo heverina ihany koa ny hamerenana ny fifidianana fihodinana voalohany any amina toerana sasany, raha toa ka mbola ampy ho amin’izany ny fotoana. Izay aloha ny fomba fanao tamin’ny fitondrana rehetra nifandimby teto fa izay hataon’ny amin’izao fotoana no tsy fantatra. Tsy mora fa tena sarotra ny fanapahan-kevitra miandry ny CENI-T sy ny CES, ary miankina amin’izay havoakan’izy ireo ny hampilamina na tsia.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.