Politique

CENI Vonona hiatrika fifidianana ivelan`ny main-tany


  • Talata 06 Aogositra 2019

Araka ny lalàna dia 90 andro mialoha ny daty hanatanterahana fifidianana no tsy maintsy hivoahan`ny didim-panjakana miantso ny mpifidy.

Hatreto dia miandry izay didy ahafahana miroso ao anatin`ny fifidianana ben`ny tanàna sy mpanolotsain`ny tanàna. Araka izany, miankina amin`ny tetiandro omen`ny fitondram-panjakana ny fifidianana. Ny CENI kosa dia milaza fa efa vonona ny amin`ity taona 2019 ity. Araka ny nambaran`i Fano Rakotondrazaka, mpampaka-teny eo anivon`ity vaomieram-pirenena ity, miezaka hatrany ny CENI mitondra fanazavana mifototra amin`ny voalazan`ny rijan-teny samihafa ny fanapahan-kevitra raisina  amin`ny fanatanterahana ny raharaham-pifidianana. Aoka kosa ho tompon’andraikitra amin`izay zavatra rehetra atao, hoy izy. Nisy fihaonambe teo anivon`ny RECEF (Réseau des compétences électorales francophones) fa anisan`ny mampiraviravy tanana amin’ny raharaham-pifidianana ny tsy fampiasana tambajotran-tserasera. Ohatra, ny “facebook”dia maro loatra ny fifanakiviana, ny fampielezana vaovao tsy marina mahatonga ny olom-pirenena tsy tompon’andraikitra. Mila hampahafantarina ny tokony hataony ny olom-pirenena mba ho tompon’andraikitra amin`ny firenena. Nefa apetraka ihany kosa fa ny lalàna ihany no mametraka ny fepetra raha ohatra ka tsy maintsy atao ny fifidianana na ivelan’ny main-tany. Misy fangatahana ataon`ny fanjakana miaraka amin`ny fanamarinana sy fandresen-dahatra any amin`ny fitsarana mahefa amin`izay. Rehefa mivaly izany dia azo tanterahina ny fifidianana ivelan`ny main-tany, hoy hatrany i Fano Rakotondrazaka.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT