Politique

CENI vaovao Ho fidiana anio ny solontenan’ny mpanao gazety


  • Talata 27 Oktobra 2015

Ho tanterahina anio talata 27 oktobra ny fifidianana izay ho solontenan’ny mpanao gazety ho ao anatin’ny rafitra mahaleo-tena hisahana ny fifidianana ho avy na ny CENI

 

. Tsy ny mpanao gazety rehetra tsy akory, raha ny fantatra, no hanatanteraka ny latsa-bato fa ireo mpikambana 15 mianadahy manerana an’i Madagasikara mandrafitra ny birao maharitry ny OJM ihany. Somary nampimenomenona mpanao gazety maro ity fepetra niniana natao tery vay manta ity saingy nambaran’ny filohan’ny Ojm, Gérard Rakotonirina, fa tara mihitsy ny fahatongavan’ny taratasy nirakitra ny lalàna handrafetana ity Ceni ity. Omaly hariva moa no fara-fandatsahana antotan-taratasy ho kandidà ho an’izay mpanao gazety maniry ny toerana ka ankoatra ny didim-panjakana izay karazan’ny nanao baiko midina mikasika ny tsy maintsy hanatanterahana ny fifidianana mialohan’ny alarobia satria hotendren’ny filoham-pirenena amin’io alarobia io ireo mpikambana rehetra mandrafitra ny CENI. Anarana mpanao gazety iray  no fantatra fa nametraka izany antotan-taratasy filatsahan-kofidiana izany omaly dia ny namana Razaka Oliva avy amin’ny takoritsika sy Aceem Radio nefa re siosio koa ny mety hametrahan-dry Fano Rakotondrazaka mpikambana tao amin’ny Cenit farany sy Hervé Rakotozanany (Radio Don Bosco fahiny). Raha ny fantatra ihany koa dia omaly alatsinainy tamin’ny misasakalina no nisokatra ny firotsahan-kofidiana ho an’ireo depiote maniry ny hisolotena ny antenimieram-pirenena ao amin’ny CENI ary hifarana anio amin’ny 4 ora tolakandro .

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT