CENI-T

> Maika amin’ny famaranana ny asany ny olom-pirenena


  • Alarobia 06 Novambra 2013

Tena nanantena ny fahombiazana sy fangaraharana teo amin’ny fomba fiasan’ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana mahaleotena ny olom-pirenena, hoy ny SeFAFi.

Tsy izay anefa no niseho fa sady ratsy fanomanana ny fifidianana no tsy vita ny fampiofanana ireo mpiantsehatra amin’ny fiatrehana ny fandatsaham-bato. Tsy tenenina intsony ny fiankinan-doha amin’ireo mpamatsy vola sy ireo mpitondra fanjakana ankehitriny, hany ka betsaka ireo miandrandra haingana ny fiafaran’ny fe-potoana hiasan’ny CENI-T miaraka amin’ny tetezamita. Azo asongadina ny tsy fahatomombanana teo amin’ny lisi-pifidianana. Nisy ireo olom-pirenena no tsy nanana kara-pifidianana nefa voasoratra mazava tao anaty lisitra na ny mifanohitra amin’izay. Nisy ireo voasoratra in-droa miaraka amin’ny kara-pifidianana roa, mpikambana ao amin’ny fianakaviana iray manontolo no tsy tafiditra ao anaty lisitra mihitsy, maro ireo kara-pifidianana tsy voazara. Ireo fahadisoana ireo dia hita teto an-drenivohitra sy ny manodidina ka azo visavisaina amin’izay ny zava-nitranga tany amin’ireo toerana lavitra maro eto amin’ny nosy. Tsy tokony hisalalasala intsony ny fanadihadiana sy ny fanatsarana ny lisi-pifidianana nasionaly izay efa voalamina ao anaty solosaina amin’ireo fandatsaham-bato manaraka rehetra miandry ny olom-pirenena.

Azo atao ihany koa ny mitily ireo lesoka sy ireo andraikitra tsy tontosa. Afaka nifidy ihany ireo olom-pirenena izay voasoatra tao anaty lisi-pifidianana nefa tsy nahazo kara-pifidianana rehefa nitondra kara-panondrom-pirenena izay toa milaza fa tsy misy lanjany ny kara-pifidianana ka manoro hevitra ny SeFaFi ny hitodihana amin’ny famokarana kara-panondro biometrika izay azo itokisana kokoa. Tena taraiky be ny fanentanana izay nivangongo fotsiny tamin’ireo tanàn-dehibe ary hita ho tsy nahomby ilay fomba fiasa fampiofanana miparitaka tsikelikely. Tsy nomen-danja ireo sehatra afaka nanampy betsaka tamin’ny fanentanana ireo olom-pirenena toy ireo sekoly sy ireo fiangonana. Niadana loatra ny fizotry ny fanisam-bato noho ny tsy fahampian’ny fitaovana ka nampitombo ny ahiahin’ny olom-pirenena. Momba ny safidin’ny andro zoma hanatontosana ny fifidianana indray dia fatiantoka ho an’ny ara-toekarena izany satria very andro iray sy tapany ireo orinasa ary eo amin’ny lafiny fifidianana kosa dia maro ireo tsy manefa ny adidiny amin’ireo olom-pirenena noho izy ireo misafidy ny hisintaka ny toerana mahazatra. Mety kokoa ny andro sabotsy, hoy ny SeFaFi.

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT