CENI-T

> Hanatsara ny fomba fiasany


  • Sabotsy 23 Novambra 2013

Eo am-panontana ireo bileta tokana hampiasaina amin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa sy ny fifidianana solombavambahoaka ny trano printy any Afrika Atsimo araka ny fanambarana ofisialy navoakan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena momba ny fifidianana (CENI-T) omaly. Manome toky Rtoa Atallah Béatrice fa tsy maintsy tanteraka an-tsakany sy an-davany ny fifidianana amin’io 20 desambra io.

Nisy ny fandraisana fepetra vitsivitsy mba hanatsarana sy hanafainganana ny fomba fiasa. Hisy ary ny fanomezana milina mpanao kajy (calculatrice) miisa 20 001, izany hoe mahazo milina fanaovana kajy iray isaky ny birao fandatsaham-bato iray, izany moa dia mba hanamorana ny fanisam-bato. Hisy karazana boky kely mirakitra toromarika sy ny tsara ho fantatra momba ny birao fandatsaham-bato, ho vita amn’ny 30 novambra ho avy izao ny fanontana ireto boky kely ireto. Manamarika ny CENI-T fa efa navoaka ihany koa ny tolo-bidy ho amin’ny fitaterana sy fanaparitahana ny fitaovana ilaina amin’ny  fifidianana any amin’ny faritra sy distrika rehetra manerana an’i Madagasikara. Niantso ireo mpikambana ao amin’ny birao fandatsaham-bato mba ho matotra sy hiasa mafy kokoa ary ho hentitra amin’ny andraikiny ny filohan’ny CENI-T, tsara homarihana fa nasondrotra ny tambin-karama homena azy ireo amin’io fifidianana amin’ny 20 desambra io, hoy izy. Inoana fa mba hitombo tahaka izany koa ny zotom-pon’izy ireo ho amin’ity asa goavana ho an’ny tanindrazana ity. Niarahaba ny CES tamn’ny famoahana ny vokatra ofisialy omaly moa Rtoa Atallah Béatrice, filohan’ny CENI-T, voaporofo izao, hoy izy, tao anatin’ny fanambarana nataony omaly fa nahavita asa matotra ny CENI-T satria tsy dia nisy fiovana firy intsony raha oharina tamin’ny vokatra navoakany ny 8 novambra, ny voka-pifidianana ofisialy navoakan’ny CES omaly zoma. Manome toky izahay fa mbola hiasa mafy sy tsara kokoa mba hahatomombana an-tsakany sy an-davany ny fihodinana faharoa amin’ny 20 desambra, hoy izy satria izany no hitsaran’ny olona ny rafitra izay tarihako ary miankina amin’io fifidianana io ny hoavin’ny firenena.

     

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT