Nahavita fianianana omaly teny amin’ny lapan’ny fitsarana Anosy ireo mpikambana 7 amin’ny 9 mandrafitra ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana.
Efa samy manana ny solontenany ara-dalàna avokoa ao anatin’ny Ceni ankehitriny ny holafitry ny mpanao gazety (Rakotondrazaka Fano), holafitry ny mpisolovava (Rakotomanana Hery), ny firaisamonim-pirenena (Randriarimanana Charles sy Rakotoniriana Fanomezantsoa), ny fitsarana tampony (Ramaroson Olivier). Eo ihany koa ny avy amin’ireo andrimpanjakana dia Rakotonarivo Thierry avy amin’ny Antenimieram-pirenena sy Razafindrabe Ernest izay notendren’ny Fiadidiana ny Repoblika. Mbola andrasana kosa izay olona harotsaky ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana. Banga ihany koa hatreto ny toeran’ny mpisolotena ny eo anivon’ny Antenimierandoholona izay tsy ho fantatra raha tsy aorian’ny fifidianana senatorialy hotanterahana ny 29 desambra 2015. Asa voalohany miandry ireto mpikambana vaovao ao amin’ity Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana ity rahateo ny fikarakarana ny fifidianana parlemantera loholona. Mandritra ny enin-taona tsy azo havaozina moa ny fe-potoana hiasan’ity rafitra vaovao momba ny fifidianana eto Madagasikara ity.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.