Politique

CENI Madagascar Tena mahaleotena tokoa ve ?


  • Talata 03 Aprily 2018

Tsy misy herijika intsony ny Malagasy fa miaina ao anaty fahasahiranana tanteraka, antony andehanana amin’ny fifidianana izay kihon-dalana stratejika ho an’ny firenena amin’ity taona ity.

 Lalàm-pifidianana mangarahara sy itokisan’ny rehetra ary marina no ilain’i Madagasikara. Efa eo anivon’ny antenimiera roa tonta ny fandinihana sy fandaniana ny lalàna voarakitra ao anatin’ny fitsipika mifehy ny fifidianana.  Ireo volavolan-dalàna ireo dia niarahana nodinihina nandritry ny herintaona niaraka tamin’ny sehatra politika rehetra sy ireo fiarahamonim-pirenena ary ny Vaomiera Mahaleotena Misahana ny fifidianana. Mampametra-panontaniana tokoa ny fahaleovantenan’ny CENI. Maninona no mitarazoka ny fandaniana ny lalàm-pifidianana ? Raha ohatra ka mametraka fa ara-dalàna sy mahaleotena ny CENI, nahoana ny lalàna mivoaka amin’ny fifidianana dia tsy ahitana izay fahaleovantenan’ny CENI izay fa ny fidiran’ny fahefana mpanatanteraka amin’ny sehatra rehetra amin’ny fifidianana no misy ? Maro amin’ny soso-kevitra naroson’ireo sokajin’olona samihafa voakasiky ny fifidianana mantsy no tsy tafiditra.  Aiza ilay lalàna niarahana nodinihana ? Mazava fa tsy izay ilay lalàna novolavolain’ny rehetra. Ny eo anivon’ny CENI anefa dia milaza fa misy fivoarana be tokoa ity lalàm-pifidianana ity ary mitombo ny fahefana ananan`ny CENI dia ny lalàna ahafahana mivelatra ao anatin’ny fahamarinana, hananana ilay fifidianana ho azon’ny sain’ny Malagasy. Izay indrindra no ilana azy maika mba hitaizana vahoaka amin’ny maha tany tan-dalàna antsika. Manana lalàmpanorenana i Madagasikara ka raha ny lojika dia ny heviny niarahana no nandaminana ity fiainam-pirenena ity tao anatin’ny efatra taona nametrahana izay tokony ho lalàna rehetra ao aorian’ilay lalàmpanorenana. I Madagasikara mandroso no ilain’ny vahoaka sy finiavana avy amin’ny mpitondra satria ny fomba fitantanana sy rafitra no tsy nahomby teto amintsika.


Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT