CENI

«Lavorary ny asa nataonay hoy ny PNUD »


  • Alakamisy 12 Jona 2025

Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana

Andriamatoa DAMA Arsène, tao amin’ny biraony tetsy alarobia omalu 11 jona 2025, ny Solontena maharitry ny PNUD na Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Fampandrosoana eto Madagasikara, Dr Edward A. Christow. Fihaonana nanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta amin’ny alalan’ny tetik’asa “Renforcement du Processus Electoral et Démocratique à Madagascar” na ny RPEDEM, araka ny tatitry ny CENI. Noresahana ihany koa ny mikasika ireo dingana noraisin’ny CENI ho fanatsarana ny raharaham-pifidianana eto Madagasikara. « Notsindrian’ity solontena maharitry ny PNUD ity, fa lavorary ireo dingana nataon’ny CENI tamin’ny fandrindrana sy fikirakirana ny fifidianana », hoy hatrany ny seraseram-baovao nataon’ny CENI. Tena izay ve ny sary nitranga ? Tena mifanaraka amin’izany ve ny fandraisan’ny olom-pirenena an’ity vaomiera ity ? Anisan’ny ezaka nambara fa hataon’ny CENI hanatsarana ny raharaham-pifidianana ny fironana mankany amin’ny fampiasana ny teknolojia, amin’ny alalan’ny « biométrisation ». Manohana izany dingana lehibe kasain’ny CENI hatao izany ny PNUD ary vonona ny hifanome tanana ahafahana manatanteraka izany eto Madagasikara, raha ny serasera natao. Ny fomba fijery avy ao anatiny izany, fa raha ny resaka fifidianana, dia betsaka ny toe-javatra sy tranga maneho, fa mbola mila ezaka ny hisian’ny fifidianana madio, mangarahara, tsy mitanila,… eto Madagasikara. Hatrany amin’ny fifidianana 2013, 2018,… dia maro ireo karazana fanintsiana nangatahan’ny sehatra samihafa eny fa hatramin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Tao anatin’ireny fifidianana nifanesy ireny ihany koa ny nivoahan’ny tatitra mikasika ny fanaraha-maso na ny nataon’ny teto an-toerana na ny avy amin’ny iraisam-pirenena na ny niraisana, izay nanatsikafona ireo tsy fanjariana samihafa toy ny ahiahina kolikolim-pifidianana goavana samihafa, saingy tsy nanova na inona na inona fa nodiana nikipiana teny. Andrasana moa izay holazain’ny Filohan’ny CENI ho an’ny rahampitso satria fantatra fa hiakatra amin’ny haino aman-jerim-panjakana ity farany anio. Nisy rahateo ireo toe-javatra samihafa nahakasika io rafitra io na ny mpikambana ao aminy, ankoatra ny mety ho tatitry ny ambara fa asa vitan’ny CENI.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

  • Vonison Andrianjato
  • Talata 28 Aprily 2026

«Fifandimbiasana ara-jeografika sy

  • KOHEN RIVOLALA
  • Talata 28 Aprily 2026

Avelao aloha hiasa ny Mpitondra

  • Maminirina Miharisoa
  • Talata 28 Aprily 2026

na Tonton Mamy

  • olon-dRajoelina
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

"Miezaka mampisara-bazana ny mpitolona"

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

Hijery ny tohiny
FTT