CENI

« Be dia be ny teboka tokony hatsaraina amin’ny fifidianana…»


  • Talata 27 Mey 2025

Mipetraka ho adihevitra eo amin’ny tontolo politika indray ny resaka lalàm-pifidianana,

indrindra taorian’ny tolo-dalàna naroson’ny Filohan’ny Antenimierandoholona. Milaza ny vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana fa mitohy ny asan’ny CENI taorian’ny fahavitan’ireo fifidianana fa tsy mijanona hatreo araka ny eritreritry ny olom-pirenena sasany, ka anisan’izany ny fanavaozana ny lisi-pifidianana, mijery sy mandray ny hevitry ny rehetra, na io mpanao politika, na mpanara-maso ny fifidianana, na mpiara-miombon’antoka,… Mandray sy mihaino ary manome lanja ny hevitry ny mpiantsehatra ny CENI, ka ao anatin’izay mihitsy dia efa manomana atrik’asa andraisan’ny mpiantsehatra ao anatin’ny CENI anjara, hanaovana tombana manasa-dàlana hafahahafahanay mahafantatra hoe : inona no ilàna anay, ahafahan’ny CENI mahazo vokatra, hoy ny Filoha lefitry ny CENI Atoa Andoniaina Andriamalazaray omaly. Ny vokatr’io atrik’asa io no entina hiantsoana ny mpisehatra sy mpiara-misehatra izay tsy voafaritry ny lalàna kanefa natao handaminana fiarahamonina satria tanjon’ny CENI ny hisian’ny fifidianana milamina sy tsy misy romoromo, raha ny nambaran’io olon’ny vaomieram-pifidianana io. Ny andininy faha-61 amin’ny lalàna 2015-020 mikasika io Vaomiera io rahateo ny hoe : adidin’ny CENI amin’ny alalan’ny Filohany no mandefa tolotra any amin’ny governemanta sy ny antenimiera mba hitondrana fanatsarana mikasika ny fitsipika hifampifehezana ny fifidianana. Nilaza moa ity olon’ny CENI ity, fa be dia be ny teboka tokony hatsaraina fa be dia be ihany koa no efa tsara ka tohizana. Nomarihiny fa tsy milaza mihitsy io andinin-dalàna io fa tsy misy afaka hanao lalàna na hitondra fanatsarana mikasika ny lalàna na tolo-dalàna io na volavolan-dalàna, tsy misakana an’izany, fa mieritreritra fotsiny hoe : inona no mahatsara zavatra dia izay mampilamina sy mahatsara ny Firenena no atao amin’ny alalan’ny fifidianana. Mbola betsaka ny adihevitra manodidina ny fifidianana eto na amin’ny rafitra na amin’ny fikarakarana sy fikirakirana ny vokatra. Tahaka izany ihany koa ny lalàna sy fitsipika samihafa, izay toa indraindray zary angady tsy mahatapaka ahitra manoloana ny tsy fanjariana na fandikan-dalàna ireo rafitra, ka mahatonga ny olom-pirenena hitsara sy hieritreritra fa misy fitanilana. Betsaka ny sary maneho mivantana na ankolaka tsy fitoviana herijika politika, amboletra, fandikan-dalàna, fanatosahana vola tsy toko tsy forohana izay vao nanaovan’ny Transparency International fanamarihana vao tapa-bolana lasa izay. Vitavita ho azy anefa ny kolikolim-pifidianana hatreto ! Firifiry ihany koa ireo fitakiana fanatsarana samihafa fa tena nisy fifampihainoana ve teto sa sanatria sarintsarina atrik’asa no betsaka ?
Toky R



 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT