Cellule de crise Diovy i Madagasikara

« Fanjakana voan’ny "hypercéphalie " io »


  • Alarobia 31 Janoary 2024

Nipoitra indray ny Cellule de crise Diovy i Madagasikara tarihin-dry Guy Maxime Ralaiseheno

sy ny namany omaly, nilaza ny fahitany ny raharaham-pirenena sy hetsika hataony. Momba ny governemanta, « tsy manaja ny fenitra eran-tany ny firafitry ny governemanta izay mbola tovanana Sekreteram-panjakana, ka lasa «bicéphale », ka ny sekreteram-panjakana izany dia tokony rafitra eo ambany minisitera, hoy Atoa Todiarivo Pierre isan’ireo lohan’ny mpisorona sady mpitarika ny MONIMA. Nahitsy izy naneho fa misy fenitra ny fananganana governemanta sy sekreteram-panjakana izany, ka tsy hahazo sitraka sy tsy hahita rirany io Fanjakana io. Nambarany fa eo amin’ny fanatanterahana ny fampandrosoana isam-paritra, dia 3% amin’ny tetibolam-panjakana ihany no tonga any ifotony. Ny vola hatokana hampandrosoana dia atelin’ny Fanjakana foibe, ka tsy fantany akory atao hoe : « décentralisation » izay mifandraika amin’ny « fonction publique territoriale », hoy ity farany. Miainga amin’ny Fanjakana foibe avokoa ny vola na amin’ny alalan’ny «subvention » na amin’ny alalan’ny « transfert », ka fanjakana voan’ny « hypercéphalie » ka ngezabe ny lohany, fa kely ny aty ambany, hoy hatrany Atoa Todiarivo. Milaza tsy handray anjara amin’ny fifidianana moa izy ireo satria aminy, dia fanomezana hasina ny « transition unilatérale » na tetezamita mandeha ila misy amin’izao ny fifidianana izany, raha ny nambaran’i Guy Maxime Ralaiseheno. Nilaza hiroso amin’ny dinika nasionaly hatomboka any amin’ny faritra izy ireo. Naneho fa efa naman’ny tsy misy intsony ny Repoblika faha-4 fa an-taratasy sisa satria niainga tamin’ny fifidianana tsy tao anatin’ny safidin’ny besinimaro, fa fifidianana tao anatin’ny hosoka sy famadihan-tanindrazana. Nanamafy mantsy i Guy Maxime Ralaiseheno, fa famadihan-tanindrazana ny nataon’i Andry Rajoelina izay efa very ny zo maha-Malagasy azy, kanefa nanao amboletra nirotsoka hofidiana ho Filohan’ny Malagasy. Mbola mitoetra ny ferin’ny fanjanahan-tany, ka mila averina amin’ny Malagasy ny taniny, hoy ireto Cellule de crise Diovy i Madagasikara ireto.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT