CDE (Club Développement et Ethique)

> Hanohana an’ny Dr Robinson amin’ny fihodinana faharoa


  • Alakamisy 07 Novambra 2013

Nanapa-kevitra ny hanohana an’ny kandidan’ny Avana dokotera Robinson Jean Louis amin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa hotanterahana ny zoma 20 desambra 2013 ny «Club Développement et Ethique».

Antony lehibe amin’izany ny faharesen-dahatra amin’ireo mpikambana fa ity kandida ity no afaka hitondra fampandrosoana ho an’i Madagasikara ary afaka hiaro ny fiandrianam-pirenena izay tsy hita soritra nandritra izay efa-taona mahery izay. Nanomboka tamin’ny taona 2009 dia nikorontana tanteraka ny fiarahamonina malagasy ary rava ihany koa ilay antsoina hoe fihavanana, hoy i Serge Zafimahova. Nanjaka teto ny fandrobana ireo harem-pirenena ary tena henjana ny krizy sosialy. Tamin’io fotoana io ihany koa no nanambaran’ity vondrona ity fa nivory teto Antananarivo ireo manampahaizana avy amin’ny faritra Atsimo Atsinanana ka nitovy ny fomba fijery amin’ny tsy maintsy hampandresena ny kandida laharana faha-33 amin’ny fihodinana faharoa amin’ny salan’isam-bato tsy latsaky ny 53% farafahakeliny. Misy anefa ny lesoka izay tokony harenina hialana amin’ny fanilikilihana izay nahatonga ny tarehimariky ny kandida Robinson Jean Louis ambany tany amin’ireo faritra hafa satria ireo vato avy amin’ny toerana renivohitra ireo no nampitombo betsaka ny salan’isan’ity kandida tohanan’izy ireo ity. Mikasika ny fanomezana toromarika ireo mpifidy amin’ny fihodinana faharoa dia nilaza mazava i Serge Zafimahova fa tsy mety aty amin’ny firenena mahantra tahaka an’i Madagasikara izany. Noresahan’ny CDE nandritra ny fotoana io ihany koa moa ny mikasika ny toe-draharaham-pirenena ankapobeny nandritra ny fanomanana, ny fizotry ny fifidianana ary ny mety ho tohin’izany.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT