Politique

Camille Vital «Mitsabaka amin’ny tokantranon’ny antoko politika», hoy ny Arema Direction Collégiale


  • Alakamisy 06 Oktobra 2011

Hatairana sy hagagana no nahazo ireo mpikambana eo anivon’ny Arema Direction Collégiale omaly raha nandre fa nanome baiko hentitra ny ministeran’ny atitany hanafoana ny «récépissé» laharana faha-3426MIN/SG/DGAT/DGAD/PCL/PP izay manamarina ny foto-pijoroan’ity antoko ity ny praiminisitry ny FAT, Camille Vital

 . Io tapakila na «récépissé» io anefa no voalaza fa hahazoan’izy ireo manolotra izay ho kandidany amin’ny andrimpanjakana rehetra, indrindra izay ho praiminisitra. «Fanilihana ankitsirano ny Arema Direction Collégiale amin’ny fanendrena ny Praiminisitry ny marimarimaritra iraisana sy ny fametrahana ny rafitra tetezamita rehetra izao fanafoanana ilay ‘récépissé’ izao. Tsy hampiverin-dalana ny Arema Direction Collégiale anefa izany», hoy ireo mpikambana. Niala tamin’ny jadona, araka ny fanazavana no nitolomana tamin’ny 2009 kanefa ankehitriny dia mitsabaka amin’ny raharahan-tokantranon’antoko manara-dalàna sy tsy manakorontana ny filaminam-bahoaka ny jeneraly Camille Vital sy ireo Arema nania, araka ny fahitan’ireo mpikambana ao amin’ny Arema Direction Collégiale azy ihany. Manoloana izany rehetra izany dia manohitra tanteraka ny fanararaotam-pahefana ataon’ireo mpitondra eo anivon’ny FAT ity antoko ity sy ireo mpikambana ao aminy satria tany demokratika i Madagasikara, hoy izy ireo.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT