Politique

Camille Vital Herintaona tao Mahazoarivo


  • Alatsinainy 20 Desambra 2010

20 desambra 2009 - 20 desambra 2010 : Herintaona katroka izao no nanendrena an’i Camille Albert Vital ho praiministry ny Fahefana Avon’ny Tetezamita.

Raha ny andro dia omaly alahady no nitsingerina io fotoana io, fa raha daty dia amin’ity anio ity. Avy amin’ny tafika izy, nitondra ny galona kolonely saingy tsy nanana andraikitra mazava teo anivon’ny foloalindahy, fa mpandraharaha tany Toliara tany no nantsoina “hanompo” firenena. Nalaina tamin’ny fiaramanidina manokana mihitsy ary ny FIS, notarihin’ny kaomandà isany, Lyllison de Roland sy Charles Andrianasoavina no nitsena azy teny Ivato teny, tamin’izany. Fanao ny jery todika amin’ny vanim-potoana toy izao. Maro ny zavatra azo resahina tao anatin’izay herintaona naha praiministra an’i Camille Vital izay. Teo amin’ny sehatry ny foloalindahy dia sarovorovo hatrany no niainana. Andro vitsy taorian’ny nanendrena azy dia nitranga ny raharaha RAS Ampahibe. Nisy manamboninahitra lefitra nidoboka am-ponja taorian’izay.

Volana vitsy taorian’izay dia niharatsy ny fifandraisana teo aminy sy ny ministry ny foloalindahy, ny jeneraly Noel Rakotonandrasana. Nitarika tamin’ny fanalana ity farany teo anivon’ny governemanta izany 07 martsa 2010. Nafanafana ny toe-draharaha, satria dia saika tsy hanao famindram-pahefana ny tompon-toerana. Voatery niditra an-tsehatra ireo zokibe toy ny jeneraly Monibou Ismael, nandamina. Nihazakazaka ny fampakarana grady jeneraly an’i Camille Vital nony vita io. Nipoitra anefa ny raharaha FIGN rehefa avy eo. Mbola volana martsa 2010 io. Resa-bola 500 tapitrisa ariary nisy nanodinkodina no niaingany. Niezaka ny namono afo ny jeneraly Camille Vital. Raha niotrika ny raharaha dia nipoitra tampoka ny nambara fa fikasana hanongam-panjakana niainga teny Ambohijanaka teny. 16 lahy nahitana manamboninahitra, manamboninahitra lefitra ary rezervista no sarona tamin’ny 16 aprily 2010.

Tsy nisy iray volana taorian’io, 20 mey 2010, nipoaka ny raharaha FIGN. Nisy ain’olona nafoy. Manamboninahitra sy sivily maromaro no indray nidoboka am-poja taorian’izay. Tsy nety nilamina mihitsy anefa ny raharaha teny anivon’ny foloalindahy, nanamarika izany ny disadisa teo anivon’ny FIS (Force d’intervention spéciale) ka nisintahan’ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina, miaramila, tao amin’ny fiaraha-mitantana azy io, niaraka tamin’ny lietnà-kolonely Lyllison de Roland (zandary). Tsy nijanona teo fa nahavatra nitsikera an’io FIS io itsy voalohany, zanak’i Vatovavy Fitovinany itsy. Enim-bolana taty aoriana, 17 novambra 2010, nipoaka indray ny raharaha BANI. Nisy namamboninahitra 16 lahy indray nijoro, ary nanangana ny Komity Miaramila ho Fanavotam-pirenena. Niaraha-nahalala koa ny tohiny, nifanafika ny tafika, ary natao sambobelona tao anaty toby izy 16 lahy ireo. Ny folo any Tsiafahy, ka anisany ny jeneraly Noel Rakotonandrasana ministry ny fiarovam-pirenena teo aloha sy ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina, tale tao amin’ny FIS, ny ambiny ao Antanimora. Raharaha tsy mikatona hatramin’izao, ary mampizarazara ny samy tafika. Nanampy trotraka izany ny fampiakarana grady jeneraly farany teo.

 
Mikatso
 
Teo amin’ny lafiny politika dia nampihatra ny maha miaramila azy ny praiministra, ary azo lazaina fa tsy nahita mangirana ny mpanohitra fa tratry ny hery famoretana. Sady tsy mahazo anjara fitenenana amin’ny haino amanjerim-panjakana no voarara haneho hevitra ankalamanjana. Maromaro ihany koa no tany am-ponja sy mbola any amin’izao fotoana izao tao anatin’izay herinantaona naha lehiben’ny asam-panjakana an’i Camille Vital izay. Nidoboka tany ry Tonton Ambroise, Pastera Valisoa, Fetison Rakoto Andrianirina, Zafilahy Stanislas, pastera Tsarahame Edouard. Maro koa ireo niaka-nidina teny amin’ny Fitsarana, toa ny Pr Ranjeva Raymond, Mamy Rakotoarivelo, Lalatiana Ravololomanana, Tabera Andriamanantsoa … ireo mpitandrina ao amin’ny HMF (Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana).
 
Tsy afa-bela koa ny mpanao gazety, ary nanamarika izany ireo mpiasan’ny Radio Fahazavana izay nisy in-droa niditra fonja mihitsy toy ny namana Ratsimba Solomon na Lolot Ratsimba. Nakaton’ny FAT nanomboka ny 20 mey 2010 ary tsy nosokafany mandraka ankehitriny io onjampeon’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara io. Hotanisaina anatin’ny zava-bita ny nanaovana ireo fihaonana samihafa nanomboka ny atrikasa natao ny janoary, “conférence sur les elections” ny febroary, ny “teny ifampierana” ny martsa, nitohy tamin’ny dinika santatra ny jolay sy ny fikaonandoham-pirenena ny volana septambra 2010, izay samy natao teny amin’ny Centre de conférences international Ivato avokoa, ary niafara tamin’ny fitsapan-kevi-bahoaka ny 17 volana novambra. Ny rehetra anefa dia samy niteny fa sady hevitr’olon-tokana no amboletra avokoa no nanaovana azy ireny, fa tsy tenieran’ny ankolafy politika rehetra. Dia izao tsy mivaha izao ny krizy, na natsangana aza ireo karazana rafitra toy ny CENI, Kongresin’ny tetezamita sy Filankevitra ambonin’ny tetezamita, hametrahana sy hanapenam-bava ireo mitady seza. Arakaraka ny nanaovana izay anefa no vao mainka mampikatso ny firenena.
 
Teo amin’ny lafiny toekarena sy fandraharahana dia sokajiana ho zava-bita angamba ny nanomezana ny orinasa Wisco ny fitrandrahana vy any Soalala, misy koa ny fitrandrahana solika any Sakaraha fa ny misongadina dia miakatra ny vidim-piainana, manjaka ny kolikoly, ripaka ny “bois de rose” sy ny harem-pirenena samihafa. Tsy niato io trafikana “bois de rose” io teo aza fanakianana avy eto anatiny sy avy amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Eo amin’ny lafiny sosialy dia tsy azo iainana ny tanàna amin’ity resaka tsy fandriampahalemana ity, tsy an-tanàn-dehibe tsy ambanivolo. Ankoatra izay dia grevy sendikaly. Paramed, dokotera, Seces, mpianatra teny amin’ny oniversite … Resaka vola avokoa io, ary fa neken’ny FAT saingy niafara tamin’ny fandrirarirana, hany ka tsy manam-pivahana ny olana. Maro no azo ambara fa raha aravona dia miaina anaty savorovoro ny firenena, porofon’izany ny fisian’ny sazy hatramin’ny maratsa 2010. Latsaka an-katerena i Madagasikara.
 
Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT