Mety hisy ny fanovana amin’ny ampahany ireo Minisitra ao anatin’ny governemanta Camille Vital amin’ny herinandro ambony ho avy io. Maro mantsy, araka ny efa notaterina teto, ireo Minisitra hirotsaka hofidina solombavambahoaka, ka raha ho raikitra ihany ny fifidianana amin’ny 20 marsa dia rariny raha mametra-pialana dieny izao izy ireo, mba tsy hananany tombony amin’ny fampielezan-kevitra sy ny fitetezam-paritra, na ny Praiminisitra mihitsy no manolo azy ireo, ary zony tanteraka izany.
Raha ny resaka mandeha hatramin’izao aloha dia misy anarana Minisitra 5 efa mahoraka fa ho kandida amin’ny fifidianana amin’ny 20 marsa, ary samy mitana toerana tena stratejika ao amin’ny governemanta avokoa izy ireo, tahaka ny fiarovam-pirenena, ny fampianarana, ny fanapariaham-pahefana…, ka tena mitombina ny ahiahin’ny maro ny amin’ny mety hahazoan’izy ireo tombon-dahiny amin’ny kandida hafa, ka mety kokoa amin’izy ireo no miala amin’ny toerana maha Minisitra azy avy hatrany, dieny izao vao manomboka amin’ny fanisam-bahoaka sy ny fandrafetana ny lisi-pifidianana izao ny fanjakana, satria ny ahiahy tokoa mantsy tsy ihavanana. Ka mipetraka àry ny fanontaniana eto hoe hisy fanovana Minisitra tsy latsaky ny 5 ve izany amin’ny herinandro ambony io sa mbola hijanona amin’ny toerany ihany ireo Minisitra kandida ka hampifangaro ny fampiasanan ny fananany manokana sy ny fananam-panjakana amin’ny fanaovana propagandy ? Azo eritreretina koa anefa hoe, mety hihemotra amin’ny fotoana manaraka ilay fifidianana amin’ny 20 marsa ka tsy hisy izany ny fanovana mpikambana ao amin’ny governemanta, raha tsy hoe manaiky indray ny hampihatra ny satan’i Maputo ny ankolafy Rajoelina ka hizara ny toerana amin’ireo ankolafy 3 hafa. Tsy maintsy hisy ny Minisitra amperin’asa ankehitriny ho very seza amin’izay fotoana izay.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.