Camille Vital

> Hosamborina fa namadika ?


  • Alatsinainy 23 Desambra 2013

Fa misy inona ? Izay no fanontaniana tonga ao an-tsaina avy hatrany noho ny fepetra noraisin’ny fiadidian’ny tetezamita amin’ny Jeneraly Camille Vital sy Mamy Ratovomalala, talen’ny fampielezan-keviny.

Raha saika hiondrana any Maorisy hanao fety miaraka amin’ny fianakaviany any an-toerana ny kandida filoham-pirenena sady praiminisitry ny Fahefana avon’ny tetezamita teo aloha ity ny marainan’ny sabotsy 21 desambra lasa teo dia nosakanan’ireo polisy miambina ny sisintany. Efa teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato mihitsy ny tenany no tratr’io fepetra io. IST na “Interdiction de Sortie du Territoire” no filazan’ny mpahay lalàna ny tranga toy izao, ary olona manan-draharaha amin’ny fitsarana no amoahana azy io. Niantso ny praiminisitra Beriziky ny jeneraly Camille Vital ka nisy avy hatrany ny baiko nomen’ity farany ireo polisy misahana ny fiambenana ny sisintany mba hamela azy handray ny sidina. Nanda ny baiko anefa ireo mpitandro ny filaminana satria matahotra hono. “Baiko am-bava avy amin’ny fiadidiana ny tetezamita mantsy no nanao io fandrarana tsy fahazoana mivoaka an’i Madagasikara io”, hoy ny praiminisitra raha nitafa tamin’ny mpanao gazety. Milaza ho tsy mahalala na inona na inona amin’ity raharaha ity ny Sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny tetezamita raha nanontanian’ny mpanao gazety. Ankoatra azy anefa dia ny filohan’ny FAT ihany no afaka manome baiko midina sahala amin’izany raha tsy hoe nisy didy avy amin’ny fitsarana. Omaly dia nandeha ny resaka fa misy didy fampisamborana navoaka ho azy roalahy ireo, fa hoe mikotrika fanonganam-panjakana (?). Milaza ho tsy mahalala ny fisian’izany anefa Tale jeneralin’ny Polisim-pirenena, Rakotondratsima Désiré Johnson. Noho izao raharaha izao dia ahiana hafana indray ity herinandro farany amin’ny 2014 ity. Mety misy ifanandraisan’ny amin’ny fanohanan’i Camille Vital an’i Dr Robinson Jean Louis tamin’ny fihodinana faharoa ny raharaha izay tena tsy zakan’ny sain’Ambohitsorohitra mihitsy. Natao litania mihitsy mantsy ny filazana ity farany ho mpamadika ary ny vavan’i Andry Rajoelina mihitsy no namoaka izany nandritra ny fandaharana nandeha tamin’ny fahitalavitra tsy miankina tany Toliara.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT