Camille Vital, ambasadaorontsika ao Maurice

Nampanantsoina eto


  • Talata 04 Novambra 2025

hanazava ny afera Ravatomanga

Niparitaka ny vaovao niainga avy atsy Maurice fa nametra-pialana ny ambasadaorontsika tao amin’io Nosy io, dia ny Jeneraly misotro ronono Camille Vital. Noho ny tsindry samihafa, ny raharaha Mamy Ravatomanga,… no nambaran’ny fampahalalam-baovao Maorisianina no antony. Niparitaka io resaka io nanomboka omaly atoandro. Nisy anefa ny fandisoana nivoaka ny tolakandro nilaza fa voaantson'ny fitondrana eto Madagasikara hifampiresaka mahakasika ny raharaha Mamy Ravatomanga i Albert Camille Vital fa tsy nametra-pialana, amin’ny maha masoivoho an’ny Madagasikara azy ao Maurice velively. Nanamafy i Camille Vital fa tsy hametra-pialana velively ny tenany , araky ny fampitam-baovao navoakan'ny gazety DéfiMédia.Info. Tsy mbola nisy tatitra ofisialy mikasika ny fampanantsoana sy fanadihadiana ity ambasadaoro napetraky ny Fanjakana Rajoelina ity. Raha hiverenana kosa, nisy fanadihadian’ny fampahalalam-baovao Maorisianina MBC azy ny marainan’ny 12 oktobra 2025 nahatongavan’ilay Jet Privé nitondra an’i Mamy Ravatomanga sy ny Praiminisitra teo aloha Ntsay Christian. Tao anatin’izany no nilazany fa tsy nahalala sy tsy nampahalalana ny hisian’ny fiaramanidina. Nilaza ho tsy mahalala akory ny mpandeha tao anatiny, fa ny isany dia hoe 7, ary teny amin’ny tambajotran-tserasera no nahitany ny anarany. Tsy fantany ny naha tao ny Praiminisitra teo aloha Ntsay Christian sy Mamy Ravatomanga. Raha tsy nampahafantarina dia tsy misy na inona na inona azony atao raha ny filazany tamin’izany, ka nanehoany fa mety tahaka ny olon-drehetra, tahaka ny mpizahatany,… ka ny manam-pahefana Maorisianina no tokony hametraham-panontaniana amin’ny tokony hataony. Mbola mafampana moa ny raharaha Mamy Ravatomanga, ka ny vinantony Andry Patrick Rabetokotany indray no nampanatsoaina nanaovan’ny FCC (Financial Crimes Commission) fanadihadiana omaly araka ny vaovao navoakan’ny express.mu. Andrasana ny tohiny fa ny fandehan-draharaha dia toa mizotra makany amin’ny mety ho fanagiazan’ny Maorisianina ny kaontim-bola sy fananana na harenan’i Mamy Ravatomanga. Asa manao ahoana ny toeran’i Madagasikara izay mety ho nakana sy nanangonana ny ampahany betsaka tamin’ny vola sy harena nentina sy nampidirina ary nodiovina tao Maurice na Firenen-kafa ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Paul Rabary
  • Alarobia 22 Aprily 2026

«Apetraho dien’izao ny rafitra tsy mitanila!»

  • Minisitry ny Fitsarana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

« Niray tetika tamin’i Kol.

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT