Politique

Camille Mektoub “Tsy hamadika ity tolona ity ny Pr Zafy Albert”


  • Alakamisy 06 Oktobra 2011

Saika niompana tamin’ny fanazavan’ireo akaiky azy ny fanapahan-kevitry ny ankolafy Zafy Albert sy izy manokana ireo kabary nifandimbiasana tao amin’ny Magro Behoririka omaly alarobia 5 septambra.

 Hodinihan’ny fitsarana ato ho ato ny fitorian’i Zafy an-dRajoelina, hoy i Tabera Randriamanantsoa. Mikasika ny fandraisan’anjaran-dry Manoro Régis sy Emmanuel Rakotovahiny tamin’ny fivoriana tao Ambohitsorohitra dia nilaza i Camille Mektoub fa “rehefa hanitsy zavatra ny Pr Zafy dia manao valandresaka ho an’ny mpanao gazety”, ka “ry Manoro Régis sy Emmanuel Rakotovahiny no nanazava satria tamin’ny andro faharoa dia tsy nandefa olona intsony ny Profesora fa ny Dr Rakotovahiny no niteny fa izy no nandefa olona na dia nandrara aza ny Pr Zafy”. Raha misy olona tsy mitady tombontsoa fa manohana tsy misy fepetra ny filoha Marc Ravalomanana dia ny filoha Zafy Albert ary tsy misy fihatsarambelatsihy izany, hoy i Mektoub.

Mazava ny heviny ary naveriny in-telo, hoy ity farany, fa : “mody tsy misy fepetra Ravalomanana”. Tsy hamadika ity tolona ity ny Pr Zafy Albert satria nanao fanekena izy. Ny famerenana ny ara-dalàna ihany no izy, hoy ny teniny. Tsy eken’ny prezidà Zafy ny maha lohan’ny mpanantanteraka an’i Andry Rajoelina satria efa tsy nahavita telo taona latsaka ka aleo hovaina toerana. Maro ny antony fa tsy mendrika ny ho filoha i Andry. Ary noho ny toe-draharaha dia tsy nanolotra anarana ho PM i Zafy.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT