Politique

Camille Mektoub Nitaraina sy nitalaho mafy Rajoelina


  • Alarobia 28 Septambra 2011


Niaiky Rajoelina, hoy i Camille Mektoub, omaly tetsy Behoririka tao anaty taratasy nalefany ho an’ny Sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana tamin’ny 19 septambra teo, fa noho ny sonia nataon’ireo mpanao politika Malagasy no hangatahany hiteny ary mbola amin’ny anaran’ny FAT no nanaovany izany taratasy izany. Tena nitaraina sy nitalaho mafy mihitsy izy tao anatin’ny taratasiny, hoy i Mektoub. Mandeha ho azy izany raha tena mpitondra, fa i Andry Rajoelina katahotra, tsy mahazaka firenena. Tsy fahombiazana ara-politika no azo handikana iny tany New York iny ary ny faran’ny kabariny aza dia milaza fa aleo ihany mifampiresaka fa tsy fitaovam-piadina no hamaha ny krizy, hoy hatrany i Mektoub nanazava. I Zafilahy Stanislas kosa no nanipika mazava fa i Madagasikara no nasaina tany New York. Niantefa tany amin’ny Vondrona iraisam-pirenena ny tenin’ity solombavambahoaka teo aloha ity nilaza fa ho an’ny tombontsoam-pirenena no nanaovan’ny ankolafy Ravalomanana misy azy sonia, ka “raiso ny andraikitrareo !”.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT