BY-PASS

Ilana fahamailoana be ny fividianana tany


  • Alakamisy 31 Aogositra 2023

Mihazakazaka ny fanorenana trano vaovao eny amin’ny By-pass sy ny manodidina ao anatin’ny kaominina Alasora

amin’izao fotoana izao noho izy manakaiky ny kaominina Antananarivo renivohitra. Betsaka noho izany ny olana ara-tany izay tena ilana fahamailoana tokoa mialohan’ny hividianana azy. Lohalaharana amin’izany raha araka ny fanadihadiana natao ny fijerena tsara ny antontan-taratasy rehetra momba ny tany toy ny certificat juridique, ny taratasy avy any amin’ny sampandraharahan’ny fananantany ankoatra ny fanadihadiana hatao amin’ny Fokontany sy ny kaominina raha ilaina. Manana drafi-panajariana manokana mifehy azy mantsy ny eny amin’ny By pass ka misy ny tany azo hanorenana raha misy ihany koa ny tsy azo hanorenana. Ao amin’ny sampandraharahan’ny fanajariana sy ny fananantany no hakana izany izay hahafantarana mialohany ihany koa ny haben’ny trano sy ny haavony azo haoriana eo amin’ilay tany. Noho iny toerana iny tafiditra ao anatin’ny grand Tana no antony mahatonga izany. Mikasika ny vola aloha eo anivon’ny kaominina amin’izany fanorenan-trano izany dia fantatra fa ny mpanolon-tsaina kaominaly no manapaka izany ary mibaribary amin’ny solaitrabe hapetaka eo ivelan’ny kaominina avokoa ny vola aloha fa tsy misy ambadika hoy hatrany ny fanazavana voaray.
Pati
Legende : Mahatratra 200 ka hatramin’ny 300 isan-taona ny fangatahana mba hanorina trano eto amin’ny kaominina Alasora amin’izao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT