Mampiahiahy tanteraka, hoy ny depiote frantsay, Bruno Fuchs, ny fitoniana politika ao Madagasikara ao anatin’izao fiomanan’izy ireo amin’ny fifidianana filoham-pirenena sy fifidianana heverina ho manakaiky vahoaka ao izao,
raha nampita ny heviny tamin’ny minisitry ny Eoropa. Mametraka ny ahiahiny ny fianakaviambem-pirenena mikasika ny hisian’ny fifidianana lavorary ao an-toerana. Tao anatin’ireo herinandro faraparany dia sesilany ny fisamborana sy fanelezana vaovao tsy mitombona izay nanohintohina ny fahafaham-bahoaka ary mampanahy tanteraka ny amin’ny mety ho fiemoran’ireo fifidianana. Ny hoavy politika milamina ho an’ny olom-pirenena malagasy rehetra dia mila mandalo amina fifidianana milamina mifanaraka amin’ny fenitra iraisampirenena. Ilaina koa ny fametrahana tetikasa fanampiana ho fampandrosoana na fiaraha-miasa hisitrahan’ireo mponina rano fisotro madio, fahadiovana sy fidiovana na fanafainganana fonenana maharitra izay tena ilain’ny vahoaka malagasy. Lalina ny fifandraisana ara-toekarenan’I Madagasikara sy Frantsa. Manakaiky ny 1 miliara Euro isan-taona ny fifanakalozana ara-barotry ny firenena roa tonta. Manana adidy amin’ny fitandroana ny demokrasia sy fitoniana ao an-toerana I Frantsa. Izany koa no antoka ilaina indrindra amin’ny fiarovana ireo orinasa frantsay ao an-toerana, hoy hatrany ny tenany. Inona izany, hoy izy nanontany ny minisitra misahana an’I Eoropa, no hetsika sy dingana diplaomatika efa nataon’I Frantsa hahafahana mahazo antoka izay fifidianana ara-potoana sy lavorary izay ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.