Brunelle Razafitsiandraofa

“Efa nifamepetra izahay fa hanamboatra an’I Madagasikara”


  • Alatsinainy 30 Oktobra 2023

Manamafy ny tsy fanaovana propagandy ary manentana ny herivelona manerana ny Nosy

hatrany hanamafy ny tolona ny Firaisankinan’ny kandida. Izy ireo izay maneho fa tena tolona ho an’ny firenena no atao, ary efa nifanome toky ny rehetra fa tsy mivadika, tena hitondra fanovana ho an’I Madagasikara,… Raha hiverenana dia isan’ny anton’ny tolona ny famerenana ny tany tan-dalàna, famerenana ny fiandrianam-pirenena amin’ny alalan’ny tsy fanekena ny filatsahan’ny olona tsy mizaka ny zom-pirenena Malagasy, tsy fanekena ny fifidianana feno hosoka sy kajikajy, fanovana ireo rafitra mikarakara sy mitsara ny fifidianana, fanovana ny governemanta mitanila,… “Mazava ny toromarika, aza mieritreritra fampielezan-kevitra mihitsy! Maro ny dingana efa natao, fa ny zavatra rehetra mivoaka mandrak’ity ny androany, dia handraisana fanapahan-kevitra hirosoana amin’ny tolona. Tsy mijanona fotsiny amin’ny firaisankinan’ny kandida ny hetsika, fa misokatra ho tolom-bahoaka, ho tolom-panafahana an’I Madagasikara, ka ho an’ireo komity sy mpanohana rehetra manerana ny Nosy dia mivoria, tohizo ny asa, fa tsy propagandy no atao fa fanohizana sy fanamafisana ny tolona”, hoy ny kandida Brunelle Razafitsiandraofa. Nambarany fa efa nifamepetra ny kandida. Tamin’ny tolon’ny depiote dia efa nifamepetra fa hametraka fanovana an’I Madagasikara, saingy rehefa tonga teo ny namana dia tsy nizotra tamin’izany làlana izany, hoy ny fanazavany. “Izahay ireto kosa efa nifamepetra, fa hanova sy hanamboatra an’I Madagasikara”, hoy hatrany ity kandida ity izay nilaza fa hatreto mbola ny vahiny no manao ny mafana sy ny mangatsiaka eto, ka tsy azo ekena intsony.
Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT