Efa tsy vitan’ny fifanaratsina sy fifanenjehana ara-kabary ary fifanaratsiana amin’ny lahateny atao intsony ny fampielezan-kevitra ao Brikaville, fa tonga hatramin’ny fifofoana ny aina kandida heverina fa lasa aloha noho ny hafa indray ny resaka ankehitriny.
Ny kandida Randrianarisoa Voanalaroy (Lala) nilatsaka ho depiote amin’ny anaran’ny tenany manokana laharana faha-07 amin’ireo kandida 17 ao Brickaville, no in-droa efa nisy nikasa hamono izao. Ny 06 desambra raha hiondrana lakana avy nanao fampielezan-kevitra tao Sahamorona ka hiverina ao Brickaville tampon-tanàna ny tenany sy ny ekipany, dia nisy efa-dahy niditra an-keriny koa ary namadika ny lakana saingy tsy nisy ny aina nafoy. Ny 09 desambra raha variana nanao fampielezan-kevitra tao Razanaka ny kandida dia nisy namaha ny kodiaran’ny fiara nitondra ny kandida ary nipitika teny am-pandehanana ny kodiarana. Soa fa tsy nisy ny aina nafoy. Efa misy moa ny fitoriana nataon’ny kandida, satria efa misy olona ahiahin’izy ireo koa ho hita eo ny marina.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.