Raha mbola variana amin’ny adihevitra tsy mitera-bokatsoa amin’ny fiainan’ny vahoaka ireo mpanao politika sy manampahaizana Malagasy isan-tsokajiny manoloana ny olana ateraky ny voka-pifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka notanterahana ny zoma 20 desambra 2013 lasa teo, dia tsy niandry ela kosa ilay manampahaizana vahiny momba ny lalàna avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, Atoa Brian Currin nandroso vahaolana hialana amin’ny krizy mety hitranga aorian’ny fifidianana. Hevitra avy aminy ny tokony hanomezana alalana orinasa mpanao fanadihadiana iraisam-pirenena iray hiandraikitra ny fanambarana ireo vato azon’ny kandida isanisany miampy ny fandikana ireo voka-pifidianana miainga avy amin’ireo birao fandatsaham-bato nangonin’ny teo anivon’ny foiben’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana mandritra ny tetezamita. Mbola vahaolana aroson’ity manampahazaina afrikanina tatsimo ity ihany koa ny fanadihadiana hiandraiketan’ny matihanina manokana izay tsy handaniana fotoana ela akory. Hivoaka avy hatrany ireo hosoka na hala-bato nitranga izay mitarika ny faneken’ny rehetra ny voka-pifidianana izay tsy misy ifandraisany amin’ny kandida ho mpandresy, araka ny fanazavany.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.