Brian Currin

> Hanao angaredona hiady amin’ny hala-bato


  • Zoma 27 Desambra 2013

Tapa-kevitra tanteraka. Tsy misy ny andraso andraso ho an’ny ankolafy Ravalomanana fa taorian’ny kabary tamin’ny talata lasa teo teny amin’ny Magro dia miroso amin’ny asa avy hatrany.

Tonga eto Madagasikara Atoa Brian Currin, ilay mpisolovava teratany Afrikana Tatsimo mpanolotsaina manokan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana–manampahaizana momba ny lalàna sy ny fifandraisana iraisam-pirenena, anisan’ireo nikarakara ny fampihavanam-pirenena tany Afrika Atsimo. Hiara-hiasa amin’ireo manampahaizana momba ny lalàna avy amn’ny ankolafy Ravalomanana sy ny antoko Avana izy amin’ny fanangonana sy fanisana ny vatom-pifidianana ary koa handrafitra ny paikady amin’ny fitarainana mety ho atao any amin’ny CES. Mazava ny resaka eto fa tena hiady hatramin’ny farany ny ankolafy Ravalomanana ary hamoaka ny porofo rehetra hahafahana milaza fa i Dr Robinson Jean Louis tokoa no nahazo ny vato maro an’isa tamin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa notanterahana ny zoma 20 desambra 2013 teo. Tapa-kevitra ny hampibaribary ny marina sy hamerina ny tany tan-dalana eto Madagasikara isika, hoy Atoa Ravalomanana, noho ny tombotsoa ambonin’ny vahoaka Malagasy sy ny hamerenana an’i Madagasikara amin’ny toerany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Notsiahiviny fa na ny mpanaramaso avy amin’ny Vondrona Afrikana aza dia efa nilaza fa tsy voahaja ny lalàna mifehy ny fifidianana sy ny tondrozotra noho ny fisian’ilay didim-panjakana manome alalana ireo manampahefana hanatrika ny fampielezan-kevitra ; didim-panjakana izay nofoanan’ny CES avy eo tamin’ny 18 desambra. Porofo mitohoka amin’ny tenda izany fa tena nandika lalàna ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina raha nanatrika ny fampielezan-kevitry ny kandida Hery Rajaonarimampiana sy ny kandida solombavambahoaka sasany natolotry ny MAPAR…ary na ny fampiasana ny sariny tamin’ny afisy sy ny t-shirt ihany koa aza dia efa endrika fandikan-dalana, noho ny maha filoham-panjakana am-perinasa azy. Efa voasoratra mazava ao amin’ny andininy faha-15 amin’ny tondrozotra anefa fa tsy mahazo manao fampielezan-kevitra ny manampahefana. Somary mampiahiahy ihany koa ny fomba fiasan’ny CENI-T, hoy i Marc Ravalomanana ka niantso ireo mpiara-miasa sy mpiara-dia aminy izy mba tena ho mailo.

 

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT