Boriboritany voalohany sy fahaefatra

Roso ny dia miaraka amin’i TAHINA


  • Alarobia 04 Desambra 2024

Tsotra, marina, mahomby hatrany ny fihaonana sy ny fifampiresahana mivantana ataon’ny kandida laharana faha 2

Tahina Razafinjoelina amin’ireo mponina eto an-drenivohitra. Efa voarain’ny olona, efa fantatry ny olona tsara amin’izay amin’izao herinandro tsy hifaranan’ny fampielezan-kevitra izao ilay hoe Vina, Asa ary fivoarana sy fandrosoana. Matoa miresaka dia miresaka asa, satria asa izao no tena ilain’ny mponina eto. Ampatsiahivina antsika hatrany fa ilaina ny fianarana, hoy i Tahina Razafinjoelina omaly ary mahatafita ny fianarana. Ny fanabeazana no fitaovam-piadiana matanjaka indrindra handresentsika ny fahantrana, hoy izy Naveriny indray fa izy manokana dia tsy mbola minisitra na depiote mihitsy hatrizay. Nianatra aho dia nampianatra, hoy izy ary tena nahatafita ilay izy ary nahafahana nanampy ny hafa izany. Nampatsiahy hatrany ny maha zava-dehibe ny fandraisana andraikitra , fandehanana mifidy ihany koa ny kandidan’ny Tia Tanindrazana. Mila mifidy isika, hoy izy mila sahy mijoro mitondra ny fanovana. Tsy adinony hatrany moa ilay mitondra hafatra ho an’ny olom-pirenena tsy ankanavaka manao hoe : ny tsy firaharahiana ny fiainam-pirenena no mampahantra. Mila mandray andrakitra ilay vahoaka tompon’ny fahefana , mijoro amin’ny heviny fa tsy atao fitaovana fotsiny, Ho fanohanana ny sehatry ny fanabeazana dia nanambara i Tahina Razafinjoelina fa hotolorana ordinatera miisa 30 ny sekoly tsy miankina iray eny Namontana, ary hisy ny mpampiofana ho avy eny. Izany no natao moa dia ny mba hanazarana dieny izao ny ankizy amin’ny informatika sy iomanany sahady amin’ny ho avy.
Nangonin’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT