Boriboritany faha 6

Kandida matanjaka i Tania Avanamiarantsoa


  • Alatsinainy 13 Mey 2024

Tanora sahy hitondra ny fanovàna marina. Mpitolona mavitrika ho an'ny tombontsoam-bahoaka."

i Tania Avanamiarantsoa sy Ravalison Tsiory Jessica ( Tatie JESS). Kandidan'ny Kolekitifa an'ny Malagasy ao amin'ny boriboritany faha-6. Laharana faha-5 ao amin'ny bileta tokana. Asa no ilaina fa tsy fihetsiketsehana politika na fampisehoana. Kandida mahafantatra tsara ny laharam-pahamehanana ho an'ny vahoaka no natolotry ny antoko Anjomara sy Rivo-Baovao ho an'ny boriboritany fahenina. Kandida matanjaka satria tanora ary ifandrimbonan'ny rehetra mila fanovàna ny fampandaniana azy ankehitriny. Ampy izay ny fahapotehan'ny firenena sy fahantran'ny vahoaka malagasy, hoy i Tania Avanamiarantsoa. Raha nanantena fiovana ny vahoaka tao anatin'ny dimy taona, tsy nisy vokany fa resabe sy lainga no iainana hatramin'izao. Leo ny vahoaka ary mila olom-baovao sy rivo-baovao. Tombony ho an'ity kandidan'ny kolekitifa an'ny malagasy ao amin'ny boriboritany fahenina ity izany. Ny fahazoana ny maro an'isa amin'ny fifidianana solombavambahoaka dia hanova zavatra eto amin'ny firenena . Efa hita ny tsy fahombiazan'ireo ambara fa maro an'isa teny Tsimbazaza teto hatramin'izay, ka mila mijoro manova izany isika hoy i Tania Avanamiarantsoa. Tsapa ho miha maro hatrany ireo mponin'ny boriborintany faha 6 resy lahatra amin'ny lisitry ny Kôlekitifa an'ny Malagasy ARB Tania sy Tatie Jess ary mampitombo ny tanjak'izy ireo handrombaka ny fandresena izany amin'ny 29 mey.
Nangonin'i RTT 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT