Boriboritany faha-6

> Tafajoro ny komity mpanohana ny Taniko Madagasikara


  • Alakamisy 14 Novambra 2013

Anisan’ny Boriborintany mafampana amin’ny tsy fandriampahalemena Ambohimanarina sy ny manodidina. Antony iray mahatonga izany ny tsy fahampian’ny fahazavana eny amin’ity Distrika faha-6 eto amin’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra ity.

Ho fanampiana ny mpiara-belona ao Ambohimanandray, iray amin’ireo Fokontany 31 misy ao amin’ity Boriborintany ity dia nitondra ny anjara birikiny ny antoko Taniko Madagasikara tarihin’ny filohany Rakondrainibe Jean Michel sy ny lefiny Rajaonarivony Faly tamin’ny famatsiana ireo jiro sy ny kojakoja fanampiny mba hampirehetana ireo andry mitondra herinaratra ao amin’ity Fokontany ity. Efa tapa-bolana teo izany izay no nanatanterahan’izy ireo ity asa soa ho an’ny tombontsoan’ny besinimaro ity izay mbola hotohizana amin’ireo Fokontany 30 ambiny. Tonga nifanome tanana tamin’izy ireo rahateo teny ifotony ireo mpiasan’ny orinasa Jiro sy Rano Malagasy. Ampahany amin’ireo filana tena ilain’ny fiarahamonina rahateo no notanterahana, hoy ny fanampim-panazavana satria mbola maro ireo hetahetan’ny vahoaka. Izay indrindra no antony nanosika ity antoko ity hanolotra azy mirahalahy ireto hifaninana amin’ny fifidianana solombavambahoaka hotanterahana ny 20 desambra 2013 ho avy izao ahafahana mitondra sy manatanteraka izay laharam-pahamehana ho azy ireo izay. Ny sabotsy lasa teo moa no tafatsangana ny komity mpanohana ny Taniko Madagasikara ao amin’ny Boriborintany faha-6.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT