Boriboritany faha-4 Antananarivo renivohitra

Tompondakan’ny fampiasana « ordonnances » tamin’ny fifidianana


  • Alakamisy 19 Desambra 2024

Kaominina miisa 427 izany hoe 25,2 %n’ny kaominina eto Madagasikara no nahitana mpifidy nampiasa

ordonnances", na taratasy fahazoan-dalana manokana hifidy navoakan’ny fitsarana, tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna ny 11 desambra 2024 lasa teo. Rehefa nampitahaina ny tarehimarika dia hita ao, araka ireny resaka efa nivoaka ireny ihany fa Antananarivo renivohitra no namoahana "ordonnances".
Mitotaly 34 988 ny ordonnances navoaka ho an’Antananarivo renivohitra ka lohalaharana ny boriboritany faha 4 (11 327), faharoa ny boriboritany voalohany (8617) ary fahatelo tamin’ny fahamaroan’ny olona nifidy tamin’ny alalan’ny ordonnance ny boriboritany faha 3 (4627). Efa tena naha be resaka sy nitrangana savorovoro isan-karazany teny amin’ny boriboritany faha 4 tahaka ny Anosibe, namontana, Soanierana, Ouest Mananjara…dia io fa rehefa nojerena ny tarehimarika dia tao amin’ity boriboritany ity izay misy depioten’ny IRMAR malaza mpitarika tanora no betsaka indrindra ny famoahana « ordonnances » ho an’ny renivohitra. Anya m-pelatanan’ny CENI ny tarehimarika rehetra, maro ny fitorohana sy fitarainana natao ary mbola ho atao fa dia asa izay ho fanapahan-kevitra manoloana izany. Ireo kandida hafa, ankoatra an’i Harilala Ramanantsoa natolotry ny IRMAR dia efa samy nampiaka-peo avokoa fa misy zaatra mampiahiahy ny lisipifidianana sy ny famoahana « ordonnances » nandritra iny fifidianana iny.
Nangonin’i RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT