Boriborintany voalohany eto an-drenivohitra

> Tsidihana ny eny amin’ny faritra avo, ampiana ny eny amin’ny iva


  • Alakamisy 05 Desambra 2013


Ambondrona, Faravohitra, Amparibe, Ambohidahy, Ambalavao-Isotry ary Avaratetezan’i Bekiraro ny talata teo no toerana voatsidiky ny kandidà Ratovonandrasana Irène sy ireo mpiray lisitra aminy laharana 1 ao amin’ny Boriborintany voalohany eto Antananarivo Renivohitra niaraka tamin’ireo mpanohana marobe nitondran’izy ireo fanazavana isan-trano mikasika ny programan’asany sy fampahafantarana misimisy kokoa ny amin’izy ireo. Toy ny natao teny amin’ireo toeram-panasan-damba teny amin’ny Fokontanin’Antohomadinika dimy tonta sy teny Andohatapenaka faha-2 sy faha-3 ary teny Ankasina dia hotsidihan’ity kandidà ity sy ireo mpanaraka azy fanindroany hanolorana aron’akanjo sy fitaovam-panasan-damba ny eny Ambalavao Isotry sy eny Avaratetezan’i Bekiraro anio alakamisy 5 desambra. Omaly alarobia moa na dia eo aza ny totoafo atao amin’izao fampielezan-kevitra izao dia tsy maintsy mba misy ihany koa andro hitsaharana kely ho an’ny kandidà isanisany mba handrefesana ny vita sy hanombanana sahady ny hiatrehana ny ampitso ary mba hialana sasatra kely hanaovana dingana lehibe indray amin’ny manaraka.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT