Eo am-piandrasana ny tena voka-pifidianana ofisialy mikasika ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany notanterahana ny zoma 25 oktobra 2013 teto Madagasikara izay eritreretina fa havoakan’ny Fitsarana manokana misahana ny Fifidianana amin’ity herinandro ity dia efa samy miomana amin’ny fiatrehana ny fifidianana solombavambahoaka ihany koa ireo etamazaoro politika rehetra manana kandida hifaninana eo anivon’ny Antenimieram-pirenena. Maro rahateo ireo antoko sy fikambanana handray anjara amin’io fifidianana manakaiky ny vahoaka io satria miisa 2.036 izy ireo manerana ny Nosy raha 151 monja ny toerana iadiana. Tena ho sarotra noho izany ny safidy miandry ny olom-pirenena manoloana ny habetsahan’ireo kandida afaka hitondra ny hetahetany sy hamadika izany ho lalàna mba ho tombontsoan’ny besinimaro. Na dia tsy mbola ao anatin’ny fampielezan-kevitra aza ny vanim-potoana misy antsika ankehitriny dia efa mivonona sy miomana sahady amin’ireo paikady hiatrehana ny fandresen-dahatra ny mpifidy ireo kandidan’ny ankolafy Ravalomanana ao anatin’ny Boriborintany voalohany izay ahitana ny Maître Razafimanantsoa Hanitra sy ny dokotera Razafimbelo Jacques Harinosy. Efa mizotra mankany amin’ny fandaminana sy ny fametrahana ireo lamin’asa ho fandrindrana ny paikady novolavolaina ny ekipa amin’izao fotoana izao. Tanjona rahateo ho azy ireo ny hibata fandresena ao amin’ny fari-pifidianana nirotsahan’izy ireo ao anatin’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.