Nirotsaka nanadio teny amin’ny rond point Anosy mihazo an’Anosibe omaly, ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny boriborintany I sy faha-IV, notronina delegasiona marobe
. Ny « îlot centrale », manangona sy mitatitra ny rano maloto, mankany amin’ny lakandranon’Andriantany nefa lasa ataon’ny olona fanariana fako sy feno bozaka no nodiovina tamin’izany izay nandaniana ora maromaro mihitsy. Ankoatra izay dia nanentana ireo mpivarotra amoron-dalana ihany koa izy ireo mba samy hanadio ny faritra misy azy sy tsy hameno ny sisin’arabe hisorohana ny fitohanana. Nambaran-dRatsisetraina David Aimée, delegen’ny Boriborintany I nandritra izany fa mbola hitohy hatreny Anosizato Atsinanana miverina mankeo Anosy ity hetsika ity. Mikasika ny asa fanadiovana isam-pokontany indray dia nambarany fa efa misy RF2 avokoa ny fokontany 30 amin’ny 32 ao amin’ny boriborintany fahefatra ho fikajiana ny lafiny fahadiovana. Tsiahivina fa iraisan’ireto biroborintany roa ireto io îlo centrale io, antony nifanomezan’izy ireo tanana omaly.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.